Salamo 60 - Malagasy Protestant Bible 2011

Andriamanitra mamaly vavaka ny olony resyHo an’ny mpiventy hira. Al-shoshan edot. Miktama nataon’i Davida hampianarana, fony izy nanafika an’i Mezopotamia sy Arama-Zoba, tamin’ny niverenan’i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo sy iray alin-dahy teo amin’ny Lohasahantsira.

1Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Ianao,

efa tezitra Ianao, velombelomy izahay!

2Efa nampihorohoro ny tany Ianao ka nampitresaka azy.

Amboary izay rava aminy fa mihozongozona izy!

3Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Ianao

ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky.

4Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao

mba hatsangany noho ny fahamarinana. Fiatoana.

5Mba hahafahan’ny malalanao

dia vonjeo amin’ny tananao ankavanana aho ka valio!

6Andriamanitra niteny tamin’ny fahamasinany hoe:

Handresy Aho ka hizara an’i Sekema

ary ny lohasahan’i Sokota dia horefesiko.

7Ahy i Gileada, Ahy koa i Manase;

aron’ny lohako i Efraima;

tehim-panjakako i Joda.

8I Moaba dia fitoeran-drano fisasana ho Ahy;

eo amin’i Edoma no anipazako ny kapako;

mihorakoraha hiady Amiko, ry tanin’ny Filistina!

9Iza no hitondra ahy ho any amin’ny tanàna mafy?

Iza no hitarika ahy hatrany Edoma?

10Tsy Ianao va, Andriamanitra ô, izay nanary anay?

Sady tsy nandeha niaraka tamin’ny antokon’ny miaramilanay, Andriamanitra ô?

11Vonjeo amin’ny mpandrafy izahay!

Fa zava-poana ny famonjena ataon’ny olona.

12Amin’Andriamanitra no hahavitantsika fandresen-dehibe;

fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help