Salamo 135 - Malagasy Protestant Bible 2011

Fantatro fa lehibe NY TOMPO

1 Haleloia.

Miderà ny anaran’NY TOMPO;

miderà Azy, ianareo mpanompon’NY TOMPO,

2ianareo izay maharitra ao amin’ny tranon’NY TOMPO,

ao anatin’ny kianjan’ny tranon’Andriamanitsika.

3Miderà NY TOMPO fa tsara Izy;

mankalazà ny anarany fa mahafinaritra izany.

4Fa nofidin’NY TOMPO ho Azy i Jakoba

ary ho rakitra soa ho Azy Israely.

5Fa fantatro fa lehibe NY TOMPO

ary ambonin’ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.

6Manao izay sitrapony rehetra NY TOMPO,

na any amin’ny lanitra, na etỳ ambonin’ny tany,

na any amin’ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra.

7Mampiakatra zavona avy amin’ny faran’ny tany Izy;

manao tselatra arahin-dranonorana Izy;

mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny trano fitahirizany azy Izy.

8Izy no namely ny voalohan-terak’i Ejipta,

na olona na biby.

9Nandefa famantarana sy fahagagana

teo aminao Izy, ry Ejipta ô;

eny, tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra,

10dia Ilay namely ny Jentilisa maro

ka nahafaty mpanjaka mahery,

11dia i Sihona mpanjakan’ny Amorita

sy i Oga mpanjakan’i Basana

ary ny fanjakan’i Kanana rehetra;

12ary ny tanin’ireo dia nomeny ho lova;

eny, ho lovan’ny Israely olony.

13TOMPO ô, mandrakizay ny anaranao;

TOMPO ô, hihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby ny fahatsiarovana Anao.

14Fa hanome rariny ny olony Izy

ary hanenina ny amin’ny mpanompony.

15Ny sampin’ny Jentilisa dia volafotsy sy volamena,

izay asa nataon’ny tanan’olombelona.

16Manam-bava izy nefa tsy miteny;

mana-maso izy nefa tsy mahita;

17manan-tsofina izy nefa tsy mandre

ary tsy misy fofonaina ao am-bavany.

18Ho tahaka azy izay manao azy

sy izay rehetra matoky azy.

19Misaora NY TOMPO, ry taranak’Israely;

misaora NY TOMPO, ry taranak’i Arona;

20misaora NY TOMPO, ry taranak’i Levy;

ianareo izay matahotra NY TOMPO, misaora NY TOMPO.

21Isaorana avy any Ziona anie NY TOMPO

izay monina any Jerosalema.

Haleloia.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help