Salamo 145 - Malagasy Protestant Bible 2011

Maharitra mandrakizay ny fanjakanaoFiderana nataon’i Davida.alef א

1Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô,

ary hankalaza ny anaranao mandrakizay doria.

bet ב

2Hankalaza Anao isanandro aho

ary hidera ny anaranao mandrakizay doria.

gimel ג

3Lehibe NY TOMPO ka mendrika hoderaina indrindra;

tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany.

dalet ד

4Ny taranaka rehetra dia samy hidera ny asanao amin’izay mandimby azy

sy hanambara ny asanao lehibe.

he ה

5Ny lazan’ny voninahitry ny fiandriananao

sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko.

vav ו

6Ny herin’ny asanao mahatahotra no hotenenin’ny olona

ary ny fahalehibiazanao no hotantaraiko.

zaìn ז

7Hanonona ny fahatsiarovana ny haben’ny fahatsaranao izy

ary hihoby ny fahamarinanao.

het ח

8Mamindra fo sy miantra NY TOMPO,

mahari-po sady be famindrampo Izy.

tet ט

9Manisy soa ny rehetra NY TOMPO

ary ny fiantrany dia eny amin’ny asany rehetra.

iod י

10TOMPO ô, midera Anao ny asanao rehetra

ary misaotra Anao ny olonao masina.

kaf כ

11Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy

sady miresaka ny herinao

lamed ל

12mba hampahafantarana ny zanak’olombelona ny herinao

sy ny haben’ny voninahitry ny fanjakanao.

mem מ

13Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao

ary hihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby ny fahefanao.

non נ

14NY TOMPO manohana izay rehetra lavo

ary mampitraka izay rehetra mitanondrika.

samek ס

15Ny mason’izao rehetra izao miandrandra Anao

ary manome azy ny haniny amin’ny fotoanany Ianao.

aìn ע

16Manokatra ny tananao Ianao

ka mahavoky soa ny zavamananaina rehetra.

pe פ

17Marina NY TOMPO amin’ny lalany rehetra,

sady mamindra fo amin’ny asany rehetra.

tsade צ

18NY TOMPO dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy,

dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.

kof ק

19Hanefa ny fanirian’izay matahotra Azy Izy

ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.

sin ש

20Miaro izay rehetra tia Azy NY TOMPO,

fa ny ratsy fanahy rehetra kosa dia haringany.

tao ת

21Ny fiderana NY TOMPO no hotenenin’ny vavako;

ary aoka hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria ny nofo rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help