Zakaria 5 - Malagasy Protestant Bible 2011

Fahitana fahenina: Ny horonan-taratasy manidina

1Dia natopiko indray ny masoko ka hitako fa indro, horonan-taratasy manidina iray.

2Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy aho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roapolo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany.

3Dia hoy izy tamiko: Izany no ozona mivoaka ho eny amin’ny tany rehetra; araka izany, izay rehetra mangalatra dia horoahina tsy ho eto; araka izany koa, izay rehetra manao fianianana tsy marina dia horoahina tsy ho eto.

4Avelako handeha izany,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

ka hiditra ao an-tranon’ny mpangalatra

sy ao an-tranon’izay manao fianianana mandainga amin’ny anarako

ary hitoetra ao amin’ny tranony

ka handevona izany mbamin’ny hazo sy ny vato eo aminy.

Fahitana fahafito: Ny vata famarana

5Dia nandroso ilay anjely niresaka tamiko ka niteny tamiko hoe: Atopazy ny masonao ka jereo io zavatra miseho io.

6Dia hoy aho: Inona moa io? Ary hoy izy: Io miseho io dia vata famarana. Hoy koa izy: Izao no hita any amin’ny tany rehetra.

7Ary indro, nisy takelaka firaka boribory niainga ho azy ka nisy vehivavy iray nipetraka tao anatin’ilay vata famarana

8Ary hoy izy: Io ny Faharatsiam-panahy. Dia natontany tao anatin’ny vata famarana ilay vehivavy ary natontany teo am-bavan’ny vata famarana ilay vongam-piraka.

9Dia natopiko ny masoko ka hitako fa indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan’ny tany sy ny lanitra ilay vata famarana.

10Dia hoy aho tamin’ilay anjely niresaka tamiko: Ho aiza no itondran’ireto ny vata famarana?

11Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin’ny tany Sinara, ary rehefa vita izany dia hapetraka eo amin’ny toerana fipetrahany izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help