Jeremia 50 - Malagasy Protestant Bible 2011

Faharavan’i Babilona sy fanafahana an’ny Israely

1Izao no teny nampilazain’NY TOMPO an’i Jeremia mpaminany ny amin’i Babilona, dia ny tanin’ny Kaldeana.

2Ambaraonareo,

eny, torio any amin’ny firenena,

ary manangàna faneva,

torio fa aza afenina,

lazao hoe: Azo i Babilona!

Mangaihay i Bela,

raiki-tahotra i Merodaka!

Eny, mangaihay ireo sarin-javatra nataony

ary raiki-tahotra ny sampiny!

3Fa misy firenena avy any avaratra miakatra hamely azy

ka hahatonga ny taniny ho lao

tsy hisy mponina intsony;

fa na ny olona na ny biby dia samy handositra ka ho lasa avokoa.

4Amin’izany andro izany sy amin’izany fotoana izany,

hoy NY TOMPO,

dia ho avy ny Zanak’Israely, dia izy mbamin’ny taranak’i Joda;

eny, handeha izy sady hitomany eny am-pandehanana

ka hitady NY TOMPO Andriamaniny.

5Hanontany ny lalana mankany Ziona izy

sady hiatrika hankany ka hiteny hoe:

Avia ka maneke NY TOMPO

amin’ny fanekena mandrakizay tsy hohadinoina.

6Ondry very ny oloko,

fa nampirenireny azy ny mpiandry azy,

eny, nampirenireny azy teny an-tendrombohitra izy;

nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny an-kavoana ireny

ka hadinony ny tany fatoriany.

7Izay rehetra nahita azy dia nandringana azy,

ary ny fahavalony dia niteny hoe:

Tsy manan-keloka izahay

satria nanota tamin’NY TOMPO,

fonenan’ny fahamarinana izy,

dia NY TOMPO, fanantenan’ny razany.

8Mandosira hiala an’i Babilona,

eny, mialà amin’ny tanin’ny Kaldeana,

ary aoka ho tahaka ny osy mitari-dalana ny andian’ondry ianareo.

9Fa indro, hanaitra sy hampiakatra firenena lehibe manao andiany avy any avaratra

hamely an’i Babilona Aho;

ary ireo dia hilahatra hamely azy,

koa avy ao no hahazoany azy;

ho tahaka ny lehilahy mahery sady mahay ny zana-tsipìkany

ka tsy miverina foana.

10Ary ho voababo i Kaldea;

izay rehetra mamabo azy dia ho afa-po,

hoy NY TOMPO.

11Satria mifaly sy miravoravo ianareo,

ry mpamabo ny lovako,

eny, mifalihavanja toy ny ombivavy kely eny amin’ny ahitra ianareo

sady maneno toy ny soavaly matanjaka;

12ho menatra indrindra ny reninareo,

hangaihay ilay niteraka anareo;

indro, izy no farany amin’ny firenena,

tany efitra sy tany karankaina ary tany ngazana!

13Noho ny fahatezeran’NY TOMPO

dia tsy honenana i Babilona

fa ho tonga tany lao avokoa;

izay rehetra mandalo azy dia ho gaga

ka hisitrisitra noho ny loza rehetra namelezana azy.

14Milahara manodidina an’i Babilona hamelezana azy,

ianareo rehetra izay manenjana tsipìka;

asio izy,

fa aza tsitsìna ny zana-tsipìka,

fa tamin’NY TOMPO no nanotany.

15Akoray manodidina izy!

Manatsotra ny tanany izy;

nirodana ny fotony,

rava koa ny mandany;

fa famalian’NY TOMPO izany.

Valio izy,

eny, toy ny efa nataony no mba ataovinareo aminy kosa.

16Aringano tsy ho any Babilona ny mpamafy

sy izay mitana antsy fijinjana amin’ny fararano;

fa noho ny sabatra mandoza

dia samy hihodina ho any amin’ny fireneny avy izy,

ary samy handositra ho any amin’ny taniny avy.

17Ondry iray very lalana ny Israely,

liona no nanenjika azy.

Ny voalohany nandany azy dia ny mpanjakan’i Asiria, ary ny farany dia ity Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ity izay nanapatapaka ny taolany.

18Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hovaliko ny mpanjakan’i Babilona sy ny taniny, toy ny efa namaliako ny mpanjakan’i Asiria.

19Ary hampodiko ho any amin’ny saha fiandrasana azy indray ny Israely

ka hihinana ao Karmela sy Basana izy;

ary any amin’ny tany be havoana any Efraima sy Gileada

no hahavoky azy.

20Amin’izany andro izany sy amin’izany fotoana izany,

hoy NY TOMPO,

dia hotadiavina izay heloky ny Israely

fa tsy hisy;

ary izay fahotan’ny Joda

fa tsy ho hita;

satria havelako ny helok’izay sisa narovako.

21Iakaro i Merataima

sy ny mponina ao Pekoda,

ravao sy aringano ho toy ny zavatra voaozona ireo,

hoy NY TOMPO,

ary tanteraho izay rehetra nandidiako anao.

22Misy tabataban’ady amin’ny tany

ary misy fandringanana be.

23Indrisy! Tapaka sy torotoro

ilay tantanana namely ny tany rehetra;

efa tonga figagana any amin’ny firenena i Babilona.

24Nofandrihako ianao,

ry Babilona, ka voa,

nefa tsy fantatrao akory;

hita ka voasambotra koa ianao

satria nila ady tamin’NY TOMPO.

25Novohan’NY TOMPO ny trano fitoeram-piadiany

ka navoakany ny fitaovan’ny fahatezerany;

fa misy raharaha hataon’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

any amin’ny tanin’ny Kaldeana.

26Avia avokoa ianareo rehetra hamely azy;

vohay ny trano fitoeran-kanina,

atobitobio toy ny antontam-bary,

ka levòny ho toy ny zavatra voaozona avokoa izay ao,

fa aza avela hisy sisa ho azy.

27Vonoy ireo ombilahy rehetra

ary aoka hidina ho any amin’ny famonoana ireo.

Mahita loza izy fa tonga ny androny,

dia ny fotoana hamaliana azy.

28Injany misy feon’izay mandositra sy izay afaka avy any amin’ny tany Babilona,

hanambara ny famalian’NY TOMPO Andriamanitsika ao Ziona,

dia ny famaliana noho ny tempoliny.

29Antsoy ny mpandefa zana-tsipìka hamely an’i Babilona,

dia ny mpanenjana tsipìka rehetra;

mitobia manodidina hamely azy;

aoka tsy hisy ho afa-miala izy;

valio araka ny asany izy,

eny, araka ny asa rehetra nataony no mba ataovy aminy kosa;

fa niavonavona tamin’NY TOMPO izy,

dia tamin’ny Iray Masin’ny Israely.

30Koa hiampatrampatra eny amin’ny kianja ny zatovony, ary ho ringana ny miaramilany rehetra amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO.

31Indro, hiatrika anao Aho, ry Babilona mpiavonavona,

hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao;

fa tonga ny andronao,

dia ny fotoana hamaliako anao.

32Ho tafintohina i Babilona mpiavonavona dia ho lavo

ka tsy hisy hanarina azy;

ary handrehitra afo ao an-tanànany Aho

ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.

NY TOMPO, mpamonjy ny Israely

33Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Niara-nampahorina ny Zanak’Israely sy ny taranak’i Joda:

ary izay rehetra namabo azy dia mihazona azy mafy

ka tsy mety mandefa azy.

34Mahery anefa ny Mpanavotra azy,

Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany;

handahatra ny adiny tokoa Izy

mba hampiadana ny tany

sy hampangovitra ny mponina any Babilona kosa.

Ny hevitry NY TOMPO ny amin’i Babilona

35Indro, hisy sabatra hamely ny Kaldeana

mbamin’ny mponina any Babilona

sy ny mpanapaka azy ary ny olon-kendriny,

hoy NY TOMPO.

36Indro, hisy sabatra hamely ny mpibedibedy

ka ho very saina ireny;

Indro, hisy sabatra hamely ny lehilahy maheriny

ka hivadi-po ireny.

37Indro, hisy sabatra hamely ny soavaliny sy ny kalesy fitondrany miady

mbamin’ny olona samihafa firenena rehetra ao aminy

ka ho tonga toy ny vehivavy ireny!

Indro, hisy sabatra hamely ny trano fitahirizany

ka horobaina izany.

38Ny fihantonan’ny andro

no mahatankina ny ranony;

fa tany be sarin-javatra voasokitra izy,

ary mahalasa adala azy ny sampiny mahatahotra.

39Koa ny bibidia any an-tany efitra sy ny kary

ary ny aotirisy no honina ao;

tsy honenana intsony izany mandrakizay

ary tsy hitoerana hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.

40Toy ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy i Gomora mbamin’ny tanàna eny akaikiny,

hoy NY TOMPO,

no tsy hisian’ny olona honina any,

na zanak’olombelona hivahiny any intsony.

41Indro, misy firenena avy any avaratra,

dia firenena lehibe sy mpanjaka maro

izay mitsangana avy any amin’ny faran’ny tany.

42Tsipìka sy lefona no entiny;

lozabe sy tsy mamindra fo izy;

ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina,

sady mitaingin-tsoavaly izy,

ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin’ny ady,

ady hamelezana anao, ry Babilona zanakavavy.

43Efa ren’ny mpanjakan’i Babilona ny lazany

ka miraviravy tanana izy;

fahoriana no mahazo azy,

eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy eo am-piterahana.

44Indro, toy ny fiakatry ny liona avy ao amin’ny kirihitrala eny amoron’i Jordana

no hiakarany ho any amin’ny fonenany mafy;

nefa hampandosiriko tampoka hiala ao aminy izy,

ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy;

fa iza no tahaka Ahy?

Iza no hifandahatra Amiko?

Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?

45Koa henoy ny tolo-tsaina avy amin’NY TOMPO, izay nosaininy hamelezana an’i Babilona,

sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny tanin’ny Kaldeana:

Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin’ny ondry;

ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.

46Noho ny antsoantso hoe: Efa azo i Babilona,

dia mihorohoro ny tany

ary ny fitarainana dia re any amin’ny firenena.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help