Malakia 1 - Malagasy Protestant Bible 2011

Tia an’Israely Andriamanitra

1Teny faminaniana avy tamin’NY TOMPO nampitondrainy an’i Malakia ho an’ny Israely.

2Efa tia anareo Aho, hoy NY TOMPO,

nefa hoy ianareo:

Inona no noentinao nitia anay?

Tsy rahalahin’i Jakoba va i Esao?

Hoy NY TOMPO;

nefa i Jakoba no tiako

3fa i Esao no halako,

koa nataoko tany lao ny tendrombohiny

ary ny lovany dia natolotro ho an’ny amboadia any an-tany efitra.

4Na dia hiteny aza i Edoma hoe: Torotoro izahay,

nefa mbola hatsanganay indray ny efa rava,

dia izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Ireo dia hanangana fa Izaho kosa handrava;

dia hantsoina hoe: Tanin’ny faharatsiam-panahy izy,

dia firenena eo ambanin’ny fahatezeran’NY TOMPO mandrakariva izy.

5Ny masonareo no hahita

ka hiteny ianareo hoe:

NY TOMPO dia lehibe

any ankoatran’ny tanin’ny Israely.

Fanompoam-pivavahana tsy mendrika NY TOMPO

6Ny zanaka dia manaja ny rainy

ary ny mpanompo dia manaja ny tompony.

Koa raha Ray Aho,

aiza ary izay mba hajako?

Ary raha Tompo Aho,

aiza izay tahotra Ahy?

Hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

aminareo mpisorona

izay manamavo ny anarako.

Hoy ianareo hoe: Amin’inona no anamavoanay ny anaranao?

7Amin’ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin’ny alitarako,

nefa hoy ianareo hoe:

Amin’inona no andotoanay Anao?

Amin’ny filazanareo hoe:

Ny latabatry NY TOMPO dia fanimbazimba.

8Ary raha biby jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra

dia hoe tsy ratsy va izany?

Ary raha mandringa sy marary no entinareo

dia hoe tsy ratsy va izany?

Mba atolory ho an’ny governora manapaka anao ange izany,

moa hahazo sitraka

na fitia aminy va ianao?

Hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

9Koa miangavy anareo aho, andeha mifona amin’Andriamanitra

mba hamindrany fo amintsika,

fa ny tananareo no nahatonga izao:

Moa handray anareo amim-pankasitrahana va Izy?

Hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

10Enga anie ka hisy aminareo

handrindrina ny varavarana

mba tsy handrehetana afo foana

eo ambonin’ny alitarako!

Tsy hankasitraka anareo Aho,

na handray fanatitra avy amin’ny tananareo,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

11Fa hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany

dia lehibe ny anarako any amin’ny Jentilisa.

Any amin’ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanolorana fanatitra madio ho an’ny anarako; fa lehibe ny anarako any amin’ny Jentilisa, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

12Fa manamavo izany kosa ianareo amin’ny ilazanareo hoe: Voaloto ny latabatry NY TOMPO, ary ny hanina raisina avy eo dia tsinontsinona.

13Hoy koa ianareo: Zava-manasatra foana izao! Dia ahifikareo izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Zavatra nalaina an-keriny sy mandringa ary marary no entinareo atolotra ho fanatitra. Moa handray izany avy amin’ny tananareo va Aho? Hoy NY TOMPO.

14Ho voaozona ny mpamitaka izay manana ondrilahy ao amin’ny andian’ondriny ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an’ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary ny anarako dia atahorana any amin’ny Jentilisa.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help