Joba 14 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny teny navalin’i Joba: Ny zava-manjo ny taranak’olombelona

1Ny olona tera-behivavy!

Vitsy andro izy sady vontom-pahoriana.

2Toy ny voninkazo izy: Mitsimoka dia mihamalazo.

Mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy maharitra.

3Kanefa amin’izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao

ka izay izaho avy no entinao hifandahatra Aminao amin’ny fitsarana!

4Iza no olona madio ateraky ny tsy madio?

Tsy misy na dia iray akory aza.

5Raha voafetra ny androny ary voatendrinao ny isan’ny volana iainany

ary asianao fefy tsy azony ihoarana

6dia mitodiha tsy hanatrika azy Ianao mba hitsaharany

ka hifaliany amin’ny androny toy ny mpikarama.

7Fa azo antenaina ny hazo

satria na dia kapaina aza izy dia mbola hitsimoka indray

ka tsy maintsy hisy ny solofony;

8na dia efa tonga antitra ao anaty tany aza ny fotony

ary maty ao amin’ny vovoka ny vatany,

9raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray

ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena.

10Fa ny olona kosa dia maty ka miampatra;

eny, miala aina ny olona, dia aiza izy?

11Misintona ny rano ka miala amin’ny ranomasina;

mihena ny ony ka ritra,

12ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hiarina intsony;

eny, raha mbola misy koa ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy

na hofohazina amin’ny torimasony.

13Enga anie ka hanafina ahy any amin’ny fitoeran’ny maty Ianao

ka hanafina ahy mandra-pahafaka ny fahatezeranao

ary hanendry fetrandro ho ahy ka hahatsiaro ahy.

14Raha maty ny olona, moa mety ho velona indray va izy?

Raha izany dia hiandry aho mandritra ny fotoam-panompoako,

mandra-pahatongan’ny fanafahana ahy.

15Dia hiantso Ianao ary hamaly Anao aho

ary mba halahelo ny asan’ny tananao Ianao.

16Ankehitriny, manisa ny diako Ianao;

nefa amin’izay fotoana izay, tsy handinika ny fahotako Ianao,

17fa ho voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako,

ary ho voalalotrao tsy ho hita ny heloko.

18Kanefa na dia ny tendrombohitra aza raha mianjera dia ho potika

ary ny vatolampy dia hifindra hiala amin’ny toerany;

19lanin’ny rano ny vato

ary indaosin’ny riaka ny vovo-tany;

toy izany no fanimbanao ny fanantenan’ny zanak’olombelona.

20Mandresy azy ho mandrakizay Ianao dia lasa izy;

manova ny tarehiny Ianao, avy eo dia mandroaka azy.

21Omem-boninahitra va ny zanany? Tsy fantany akory izany.

Voaetry va ireo? Tsy hitany akory izany.

22Ny mihatra amin’ny nofony ihany no mampanaintaina azy

ary ny mihatra amin’ny tenany ihany no mampitaraina azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help