Romana 16 - Malagasy Protestant Bible 2011

Fanaovam-beloma manokana

1Iny i Foiby anabavintsika, diakonan’ny fiangonana atỳ Kenkrea, lazaiko tsara aminareo,

2mba horaisinareo ao amin’ny Tompo izy, araka izay mendrika ny olona masina, ary mba hampianareo izy amin’izay raharaha ilàny anareo, fa izy dia mpiahy ny maro mbamin’ny tenako koa.

3Veloma amin’i Prisila sy i Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin’i Kristy Jesosy;

4izy ireo dia nanao vy very ny ainy hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy fa ny fiangonana rehetra any amin’ny Jentilisa koa.

5Veloma amin’ny fiangonana izay ao an-tranony. Veloma amin’i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatr’i Azia ho an’i Kristy.

6Veloma amin’i Maria, izay nikely aina fatratra ho anareo.

7Veloma amin’i Androniko sy i Jonia havako sy namako niara-nifatotra tamiko, izay malaza eo amin’ny Apostoly sady tao amin’i Kristy talohako.

8Veloma amin’i Ampliato malalako ao amin’ny Tompo.

9Veloma amin’i Orbano mpiara-miasa aminay ao amin’i Kristy sy i Staky malalako.

10Veloma amin’i Apela, ilay efa voazaha toetra ao amin’i Kristy. Veloma amin’ny ankohonan’i Aristobolo.

11Veloma amin’i Herodiona havako. Veloma amin’ny ankohonan’i Narsisy, izay ao amin’ny Tompo.

12Veloma amin’i Trifena sy i Trifosa, izay mikely aina ao amin’ny Tompo. Veloma amin’i Persy malala, izay nikely aina fatratra tao amin’ny Tompo.

13Veloma amin’i Rofosy ilay voafidy ao amin’ny Tompo, ary veloma amin’ny reniny sy reniko.

14Veloma amin’i Asinkrito, i Flegona, i Hermesy, i Patroba, i Hermasy, mbamin’ny rahalahy ao aminy.

15Veloma amin’i Filologo sy i Jolia, i Nerea sy ny anabaviny ary i Olimpa sy ny olona masina rehetra izay ao aminy.

16Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina. Ny fiangonana rehetra an’i Kristy manao veloma anareo.

Fampitandremana farany

17Fa mananatra anareo aho, ry rahalahy, mba hitandremanareo ny amin’izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana, tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin’ireny olona ireny.

18Fa izy ireny dia tsy mba manompo an’i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary amin’ny teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon’ny tsy ary saina.

19Fa efa niely any amin’ny olona rehetra ny lazan’ny fankatoavanareo. Ary faly aho noho ny aminareo satria tiako ho hendry amin’izay tsara ianareo ary tsy hiharo amin’izay ratsy.

20Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro haingana an’i Satana eo ambanin’ny tongotrareo.

Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika!

21Manao veloma anareo i Timoty, mpiara-miasa amiko sy i Losio ary i Jasona sy i Sosipatro havako.

22Manao veloma anareo ao amin’ny Tompo izaho Tertio, izay manoratra ity epistily ity.

23Manao veloma anareo i Gaio, ilay mpampiantrano ahy sy ny fiangonana rehetra. Manao veloma anareo i Erasto mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanàna sy i Koarto rahalahy.

24Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika! Amena!

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra!

25Ary ho an’Izay mahay mampahery anareo araka ny Filazantsara toriko, dia ny fanambarana an’i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zavamiafina, izay voafina hatry ny fony fahagola,

26fa efa aseho ankehitriny tamin’izay soratry ny mpaminany, araka ny didin’Andriamanitra mandrakizay ka nampahafantarina any amin’ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana,

27ho an’Andriamanitra, Ilay hany hendry, anie ny voninahitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay! Amena!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help