1Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona.
Miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.
2Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy;
maro tokoa no mirehareha miady amiko!
3Amin’ny andro atahorako no itokiako Anao.
4Andriamanitra no deraiko noho ny teniny;
Andriamanitra no itokiako ka tsy mba hatahotra aho.
Inona no hataon’ny nofo amiko?
5Mamily ny teniko mandrakariva ireny.
Ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.
6Mioko izy, mitily izy,
mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko.
7Amin’izany faharatsiany izany, moa hisy hahafahany va?
Aripaho amin’ny fahatezeranao ny firenena, Andriamanitra ô!
8Manisa ny firenireneko Ianao;
ataovy an-tavoahanginao ny ranomasoko.
Tsy ao amin’ny bokinao va ireny?
9Amin’izay dia hiamboho ny fahavaloko, amin’ny andro iantsoako Anao.
Izao dia fantatro fa momba ahy Andriamanitra.
10Andriamanitra no deraiko noho ny teniny;
NY TOMPO no deraiko noho ny teniny.
11Andriamanitra no itokiako
ka tsy mba hatahotra aho.
Inona no hataon’ny olona amiko?
12Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô,
dia hanolotra fanati-pisaorana ho Anao.
13Fa efa nanafaka ahy tamin’ny fahafatesana Ianao;
eny, nanafaka ny tongotro Ianao mba tsy ho solafaka,
mba handehanako eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fahazavan’ny velona.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.