Asan’ny Apostoly INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011
INDRAY MIJERYFizarana faharoa amin’ny asa soratr’i Lioka izay nanoratra ny Filazantsara fahatelo ity. Tantaran’ny Fiangonana voalohany no voarakitra ato, nanomboka tao Jerosalema, taorianan’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra sy ny nirotsahan’ny Fanahy Masina ka hatramin’ny nahatongavan’i Paoly tany Roma, hotsaraina sy hogadraina.Tsy nitantara fotsiny i Lioka fa nandray anjara mihitsy koa tamin’ny zavatra nitranga voambara ato satria niara-dia tamin’i Paoly izy.Ny vanim-potoana voatantara ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia manodidina ny taona 30 ny fanombohany ary mifarana eo amin’ny taona 61–63 eo izay fotoana nigadran’i Paoly sy nitsarana azy, izany hoe 30 taona mahery eo.Ny votoatin’ny BokyAsehon’i Lioka ato amin’ny bokiny ny fiitaran’ny fivavahana kristiana, niainga tao Jerosalema ary nankany amin’ny Jentilisa na ireo hafa firenena noho ny Jiosy, tonga hatrany Roma izay noheverina ho faran’ny tany tamin’izany fotoana izany.Teraka tao Jerosalema tamin’ny nirotsahan’ny Fanahy Masina ny Fiangonana kristiana voalohany, fa tany Antiokia kosa no niantsoana voalohany ny mpianatra hoe Kristiana.Olon-tsotra feno ny Fanahy Masina ireo izay nitory tamin’ny fahasahiana ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, Ilay maty nohomboan’ny Jiosy tamin’ny hazofijaliana nefa natsangan’Andriamanitra ho velona mandrakizay ary mampahery ny mpanompony mandrakariva.Miasa Andriamanitra. Ta hamonjy Izy. Izay mandray ny teny torina ka mino izany ary atao batisa no vonjena na Jiosy izy na Jentilisa.Nisy hatrany ny fanoherana avy tamin’ny Jiosy ary niharitra fanenjehana sy fisamborana sady naiditra an-tranomaizina aza ry Petera sy Paoly, kanefa tsy nahasakana ny fampielezana ny tenin’Andriamanitra izany.Ny firafitry ny BokyNy nirotsahan’ny Fanahy Masina sy ny fifidianana ny solon’i Jodasy: 1Ny fitoriana ny Filazantsara tao Jerosalema: 2–8.3Ny fitoriana ny Filazantsara tany Jodia sy Samaria: 8.4–9.31I Petera manomboka mifandray amin’ny Jentilisa: 9.32–12.25I Paoly mitondra ny Filazantsara manerana ny fanjakana romana: 13–28