Joba 18 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny teny fanindroany nataon’i Bildada: Fandrika ho an’ny ratsy fanahy

1Dia namaly i Bildada sohita hoe:

2Mandra-pahoviana no hanisy fandrika amin’ny teny ianareo?

Mba hendre aloha dia vao hiteny izahay.

3Sao ataonareo ho biby anie izahay

ka tahaka ny maloto eo imasonareo?

4Ry ilay mamiravira tena amin’ny fahatezerana,

noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao

ary ny vatolampy hafindra hiala amin’ny toerany?

5Eny, ho faty ny jiron’ny ratsy fanahy

ary hitsilopilopy ny lelafony;

6ny mazava dia hanjary maizina ao amin’ny tranolainy

ary ny jirony eo amboniny dia ho faty.

7Ny diany izay navitrika teo aloha dia hiha ety

ary ny fisainany ihany no handavo azy.

8Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin’ny fandrika harato

ka manitsaka eo amin’ny harato izy;

9azon’ny fandrika ny voditongony

ary voahazon’ny tadivavarana;

10miafina ao amin’ny tany ny fandrika haningotra azy

ary ny tonta dia efa vonona eny an-dalana.

11Manodidina azy ny fampitahorana mampihorohoro azy

ka mampivadi-po azy eny amin’ny alehany rehetra.

12Hamely azy ny mosary raha mbola ao amin’ny heriny izy

ary efa vonona eo anilany ny fandringanana

13ka handany tsikelikely ny hodiny;

ny ratsambatany dia lanin’ny lahimatoan’ny fahafatesana.

14Ongotana hiala amin’ny tranolainy izay nitokiany izy

ka hoentinao eo amin’ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra.

15Mahazo mitoetra ao an-dainy ianao: Tsy azy intsony izany;

solifara no hafafy amin’ny fonenany.

16Maina ny fotony ao ambany

ary tapaka ny rantsany eo ambony.

17Ho very tsy ho eo amin’ny tany ny fahatsiarovana azy

ary tsy malaza eny ivelany izy.

18Roahina hiala amin’ny mazava ho any amin’ny maizina izy

ary enjehina hiala amin’izao tontolo izao.

19Tsy manana fara aman-dimby eo amin’ny fireneny izy

ka tsy misy olona tavela ao amin’ny toerana nonenany.

20Ny manjo azy dia italanjonan’ny any andrefana

ary raiki-tahotra ny any atsinanana.

21Izany tokoa no iafaran’ny fonenan’ny ratsy fanahy

ary izany no manjo ny toeran’ny tsy mahalala an’Andriamanitra!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help