1Ary i Pasora, zanak’Imera, mpisorona sady mpiandraikitra ny tranon’NY TOMPO, raha nandre an’i Jeremia naminany izany zavatra izany,
2dia namely tehamaina an’i Jeremia mpaminany sady namatotra azy tamin’ny boloky hazo izay teo am-bavahadin’i Benjamina, dia ilay eo ambony, eo anilan’ny tranon’NY TOMPO.
3Nony ampitso dia nesorin’i Pasora tamin’ny boloky hazo i Jeremia. Dia hoy i Jeremia taminy: Tsy nataon’NY TOMPO hoe Pasora ny anaranao, fa Magora-Misabiba.
4Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hataoko fampihorohoroana ho an’ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra ianao, ary ho lavon’ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan’ny masonao izany; ary hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona ny Joda rehetra, dia hoentiny ho babo any Babilona izy ka hovonoiny amin’ny sabatra.
5Ary ny harena rehetra amin’ity tanàna ity, ny vokatry ny fisasarany rehetra, ny zava-tsoany rehetra ary ny harenan’ny mpanjakan’ny Joda rehetra, dia samy hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony ka hamabo sy haka azy ireny ary hitondra azy ho any Babilona.
6Ary ianao, ry Pasora, sy izay rehetra mitoetra ao an-tranonao, dia ho lasan-ko babo; ary ho tonga any Babilona ianao ka any no hahafatesanao, ary any koa no handevenana anao mbamin’ny sakaizanao rehetra izay efa naminanianao lainga.
Mitaraina amin’Andriamanitra i Jeremia fa tsy vitany intsony7TOMPO ô, notaominao aho
ka voataona;
nosamborinao aho ka resinao;
tonga fihomehezana mandritra ny andro aho;
izy rehetra dia maneso ahy.
8Fa na oviana na oviana no itenenako dia tsy maintsy mitaraina aho,
eny, miantso aho hoe: Loza sy fandravana!
Fa ny tenin’NY TOMPO
dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isanandro.
9Raha hoy aho:
Tsy hanonona Azy intsony aho
na hiteny amin’ny anarany intsony,
dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko izany,
voahidy ato amin’ny taolako
ary sasatra ny miaritra aho ka tsy mahazaka.
Manankina ny tenany amin’Andriamanitra ny mpaminany10Fa reko ny endrikendriky ny besinimaro,
misy fampangorohoroana manodidina,
torio, eny, hotorìntsika koa izy;
izay rehetra tsara fihavanana amiko
dia miandry izay hahalavoako
ka miteny hoe: Angamba ho voataona izy,
dia horesentsika
sy hovalìntsika.
11Kanefa NY TOMPO dia momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra;
ary noho izany dia ho tafintohina ny mpanenjika ahy
ka tsy haharesy;
ho menatra indrindra izy satria tsy hambinina.
Henatra mandrakizay tsy hohadinoina izany!
12Fa Ianao, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, dia mamantatra ny marina
ka mizaha toetra ny voa sy ny fo.
Ho hitako ny famalianao azy,
fa Aminao no nanankinako ny adiko.
13Mihirà ho an’NY TOMPO, miderà NY TOMPO;
fa mamonjy ny mahantra
amin’ny tanan’ny mpanao ratsy Izy.
Manozona ny andro nahaterahany i Jeremia14Ho voaozona anie ny andro izay nahaterahako!
Aoka tsy hotahìna anie ny andro izay niterahan’Ineny ahy!
15Ho voaozona anie ny olona izay nitondra teny mahafaly tamin’Ikaky hoe:
Tera-dahy ianao!
Ary nahafaly azy indrindra izany.
16Aoka ho toy ny tanàna izay noravan’NY TOMPO
izany lehilahy izany ka tsy nanenenany;
aoka handre fitarainana izy nony maraina
ary akora lava nony mitataovovonana,
17satria tsy nahafaty ahy tany an-kibo izy
mba hahatonga an’Ineny ho fasako
ka hivesatra ahy mandrakariva ny kibony.
18Nahoana re aho no nivoaka avy tany an-kibo
mba hahita fahoriana sy alahelo
ka ho lany amin-kenatra ny androko?
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.