Ezra INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011

INDRAY MIJERYNy mpanoratra ny Ezra sy Nehemia dia ireo mpanoratra ny 1, 2Tantara ihany, ary ireo boky roa ireo dia boky iray ihany tany aloha, fa tatỳ aoriana vao nizara ho roa ka nitondra ny anarana hoe Ezra sy Nehemia.Ny votoatin’ny BokyNy Boky dia manomboka amin’ny Didin’i Kirosy, mpanjaka persiana, izay manome lalana ny Jiosy hody any Jerosalema ka hanangana indray ny tempoly. Maro tokoa ny Jiosy nanapa-kevitra hody ka ny voalohany nataony tany Jerosalema dia ny nanangana indray ny alitara mba hahazoana manolotra fanatitra sy hanatanterahana indray ireo fanompoam-pivavahana samihafa. Rehefa natomboka anefa ny asa dia nisy olona sasany izay nanohitra ka nitady hisakana izany. Dia nitsahatra taona maro ny asa. Voatery nampanontany tany amin’ny fitondrana persiana ireo mpitondra mba hijery ny rakitsoratra momba fahababoana. Hita tany an-dapan’i Dariosy tokoa ny taratasy mirakitra ny Didin’i Kirosy ka nandidy ny hanohizana ny asa izy.Ny Boky dia mitantara koa ny dian’i Ezra mpisorona sady mpanoradalàna avy tany Babilona, izay nahazo lalana tamin’ny mpanjaka Artaksersesy hamelona indray ny fiainam-pivavahana tao Jerosalema, sady nanadio ny fiainam-piarahamonina mba ho araka ny fanekena sy ny didin’Andriamanitra.Ny firafitry ny BokyNy Didin’i Kirosy, ny anaran’ireo nody voalohany ary ny nananganana ny alitara: 1–3Ny fiatoan’ny asa sy ny nitohizan’izany indray: 4–6Ny fanavaozana ara-pivavahana sy ara-piarahamonina notarihin’i Ezra: 7–10
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help