Joba 31 - Malagasy Protestant Bible 2011

Teny farany navalin’i Joba: Raha nanota aho dia aoka handevona ahy Andriamanitra

1Efa nampanekeko ny masoko,

koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy?

2Fa raha izany dia inona no anjara avy amin’Andriamanitra any ambony,

sy lova avy amin’ny Tsitoha any amin’ny avo?

3Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy?

Ary tsy loza va no mahazo ny mpanao ratsy?

4Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny lalako

ka manisa ny diako rehetra?

5Moa va nandeha tamin’ny fitaka aho

na niezaka tamin’ny hafetsena?

6Enga anie ka holanjain’Andriamanitra amin’ny mizana tsy mandainga aho

dia ho fantany ny tsy fananako tsiny!

7Raha toa ka nivily niala tamin’ny lalana ny diako

na nanaraka ny masoko ny foko

na nisy tsiny niraikitra tamin’ny tanako

8dia aoka hamafy aho fa olon-kafa no hihinana

ary aoka hofongotra izay namboleko!

9Raha toa ka adala tamin’ny vadin’olona ny foko

ka namitsaka teo am-baravaran’ny namako aho

10dia aoka kosa ny vadiko hanodina fikosoham-bary ho an’ny sasany

ary aoka ho olon-kafa no handry aminy!

11Fa fahavetavetana izany;

eny, heloka tokony hotsarain’ny mpitsara;

12fa afo mandevona hatrany amin’ny tanin’ny fandringanana izany

ka hanongotra ny vokatro rehetra.

13Raha toa ka nandà ny rariny izay an’ny mpanompolahiko na ny mpanompovaviko aho,

raha nifamaly tamiko izy,

14dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra?

Ary ahoana no havaliko Azy raha handinika ny raharaha Izy?

15Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy ireny koa?

Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka?

16Raha toa ka nandà izay nirin’ny mahantra aho

ka namela ny mason’ny mpitondratena hijery foana

17na nihinana ny sombin-kaniko irery

ka tsy mba nanome izay anjaran’ny kamboty,

18nefa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho no nitaiza azy ireny toy ny ray,

ary vao nivoaka ny kibon’ny reniko aho no efa nitari-dalana ny mpitondratena;

19fa raha toa ka nahita olona efa ho faty noho ny tsy fananana akanjo aho

na mahantra tsy manana firakotra,

20moa tsy ho nisaotra ahy va izy satria nafana ny lamosiny

ary nanafana azy ny volon’ondriko?

21Raha toa ka nanatsotra ny tanako hampahory ny kamboty aho

satria hitako fa nisy niandany tamiko teo amin’ny fitsarana

22dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin’ny soroko;

eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin’ny taolam-panaviko.

23Fa mampahatahotra ahy ny loza avy amin’Andriamanitra

ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany.

24Raha toa ka nanao ny volamena ho fanantenako aho

na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô;

25raha toa ka nifaly noho ny haben’ny fananako

sy noho ny nahazoan’ny tanako harena betsaka aho,

26raha toa ka nijery ny masoandro raha izy namirapiratra iny aho,

na ny volana raha izy nandeha tamin’ny fangarangarany iny,

27ka voafitaka mangingina ny foko

ary nanoroka ny tanako ny vavako,

28dia heloka hanamelohan’ny mpitsara koa izany

fa ho nihatsaravelatsihy tamin’Andriamanitra any ambony aho.

29Raha toa ka nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy aho

na nibitabitaka raha nozoim-pahoriana izy,

30tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako

ka hangataka ozona hanjo azy;

31moa va tsy niteny ny tao an-daiko hoe:

Iza moa no olona tsy novokisany hena?

32Ny vahiny aza dia tsy nandry teny alatrano

fa novohako ny varavarako ho an’ny mpandeha.

33Raha toa ka nanarona ny fahadisoako tahaka an’i Adama aho

ka nanafina ny heloko tato am-paosiko

34satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka marobe

ary natahotra aho, fandrao hamavoin’ny mpiaramonina

ka namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavarana.

35Enga anie ka hisy hihaino ahy!

Indro ny soniako!

Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha!

Indro ny taratasy voasoratr’ilay manana ady amiko!

36Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany

ary havonako amiko ho satroboninahitra.

37Ny isan’ny diako dia hambarako Aminy

ary tahaka ny fanatonan’ny zanak’andriana no hanatonako Azy.

38Raha toa ka mitaraina hiampanga ahy ny taniko

ka miara-mitomany ny vavaasako,

39raha toa ka nihinana ny vokatra aho nefa tsy nandoa ny vidiny,

na nanao izay hahafaty ny ain’ny tompony,

40dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny varimbazaha

ary ny ahi-dratsy hisolo ny orza!

Tapitra ny tenin’i Joba.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help