Salamo 49 - Malagasy Protestant Bible 2011

Tsy mahatondra na inona na inona ny olona rehefa matyHo an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’ny Koraìta.

1Mihainoa izao, ry firenena rehetra;

atongilano ny sofinareo, ry mponina rehetra amin’izao tontolo izao,

2na ny kely, na ny lehibe,

na ny manankarena, na ny mahantra!

3Hilaza fahendrena ny vavako

ary hibitsika fahalalana ny foko.

4Hanongilana ny sofiko hihaino tononkalo aho

ary hanazava teny saro-pantarina amin’ny alalan’ny lokanga.

5Nahoana aho no hatahotra amin’ny andro fahoriana

nony manodidina ahy ny haratsiam-panahin’ny mpamingana?

6Matoky ny harenany ireny

sady mirehareha amin’ny haben’ny fananany.

7Tsy misy olona mahavotra ny rahalahiny

na afaka manome an’Andriamanitra izay vola hanavotany azy.

8Fa lafo ny takalon’ny ainy

ka tsy takatra mandrakizay.

9Moa ho velona mandrakizay va izy

ka tsy hiharan’ny fahalovana?

10Hita mantsy fa maty ihany ny olon-kendry

ary ny adala sy ny kentrina koa dia samy lasa

ka mamela ny fananany ho an’ny hafa.

11Heveriny fa haharitra mandrakizay ny tranony

ary hahatratra ny taranaka fara aman-dimby ny fonenany,

satria izy no nanome anarana ny taniny.

12Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona dia tsy maharitra;

tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy.

13Izany no falehan’ny olona adala;

finaritra amin’ny teniny ny taranany mandimby azy. Fiatoana

14Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin’ny fitoeran’ny maty,

ny fahafatesana no mpiandry azy;

hanosihosy azy ny olo-mahitsy nony maraina;

ary ho levona ny bikany fa ny fitoeran’ny maty no fonenany.

15Fa Andriamanitra kosa no hanafaka ahy avy ao amin’ny fitoeran’ny maty,

satria handray ahy Izy. Fiatoana

16Aza matahotra ianao raha misy olona tonga manankarena

ka mitombo ny voninahitry ny tranony;

17fa tsy hitondra na inona na inona izy raha maty;

tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny.

18Afaka miarahaba tena izy raha mbola velona hoe:

Midera anao ny olona fa manisy soa ny tenanao ianao.

19Mankany amin’ny razanao ianao,

nefa ireny dia tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay.

20Izay olona manana voninahitra nefa tsy manan-tsaina

dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help