Salamo 29 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny feon’NY TOMPONataon’i Davida.

1Omeo NY TOMPO, ry zanak’Andriamanitra;

eny, omeo voninahitra sy hery NY TOMPO!

2Omeo NY TOMPO ny voninahitry ny anarany!

Miankohofa eo anatrehan’NY TOMPO amin’ny fihaingoana masina!

3Ny feon’NY TOMPO no eny ambonin’ny rano;

Andriamanitry ny voninahitra no mampirefotra ny kotroka;

NY TOMPO no eny ambonin’ny ranobe.

4Ny feon’NY TOMPO dia be hery;

ny feon’NY TOMPO dia be voninahitra;

5ny feon’NY TOMPO dia manorotoro ny hazo sedera;

eny, NY TOMPO manorotoro ny hazo sedera any Libanona;

6mampitsambikina an’i Libanona tahaka ny zanak’omby Izy

ary i Siriona tahaka ny zanaky ny ombimanga.

7Ny feon’NY TOMPO dia mampisaraka ny lelafo;

8ny feon’NY TOMPO dia mampihorohoro ny tany efitra;

NY TOMPO mampihorohoro ny tany efitr’i Kadesy.

9Ny feon’NY TOMPO dia mampiteraka ny dieravavy

ary mivaofy ny ala be.

Ary ny ao an-tempoliny

dia samy miteny hoe: Voninahitra e!

10NY TOMPO nipetraka teo ambonin’ny safodrano;

eny, NY TOMPO mipetraka ho Mpanjaka mandrakizay.

11NY TOMPO hanome hery ny olony;

NY TOMPO hitahy ny olony amin’ny fiadanana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help