Habakoka 2 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny valintenin’NY TOMPO: Ny marina sy ny mpampahory

1Hitsangana eo ambonin’ny toerana fiambenako Aho

ary hijoro eo ambonin’ny manda;

hiandry Aho mba hahitako izay holazainy Amiko

sy izay havaliko amin’ny fitarainako.

2Dia namaly ahy NY TOMPO hoe:

Soraty ny fahitana

ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin’ny fafana

mba ho azon’izay mihazakazaka mamaky.

3Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoana voatendry,

ary mikendry ny farany izy

ka tsy ho diso;

eny, na dia mitaredretra aza izy dia andraso ihany,

fa ho avy tokoa izy

ka tsy hijanona.

4Indro, feno avonavona ireny; tsy mahitsy ny fanahiny ao anatiny,

fa ny marina kosa dia ho velon’ny finoany.

5Eny tokoa, mamitaka ny divay.

Tsy mba mahatoetra ny lehilahy miavonavona,

dia ilay mitanatana vava tahaka ny fitoeran’ny maty;

eny, toy ny fahafatesana ka tsy mety voky.

Fa manangona ny firenena rehetra ho ao aminy izy

sady mamory ny olona rehetra ho ao aminy.

6Tsy hanao oha-teny hamelezana azy va ireto olona rehetra ireto?

Tsy hanao eson-teny sy fitenenana hanoherana azy va izy?

Izao no holazainy:

Ireo loza dimy

Lozan’izay mahery manangona ny tsy azy!

Mandra-pahoviana?

Dia izay mivesatra tombon-trosa tsy voaloa ara-potoana.

7Tsy hitsangana tampoka va ny tompon-trosa?

Tsy hifoha va ireo izay hampijaly anao?

Ho babony ianao!

8Fa efa namabo firenena maro ianao

ka mba hobaboin’ny sisa rehetra amin’ny firenena kosa,

noho ny ran’olona

sy ny herisetra natao tamin’ny tany,

dia tamin’ny tanàna

sy ny mponina rehetra ao aminy.

9Lozan’izay fatra-pila harena amin’ny tsy marina ho an’ny taranany,

hanaovany ny akaniny any amin’ny avo

mba tsy ho tratry ny tanan’ny loza!

10Izay hahatonga henatra ho an’ny taranakao no noheverinao,

dia ny handringanana firenena maro;

niantso loza hihatra amin’ny ainao ianao.

11Fa hitaraina ny vato ao amin’ny rindrina

ary ny sakamandimby ao amin’ny trano no hamaly azy.

12Lozan’izay manangana vohitra amin’ny fandatsahan-dra

sy manorina tanàna amin’ny tsy fahamarinana!

13Moa tsy avy amin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao va

no hisasaran’ny olona ho an’ny afo

sy hisahiranan’ny firenena amin’ny zava-poana?

14Fa ho feno ny fahalalana

ny voninahitry NY TOMPO ny tany,

toy ny fanaron’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.

15Lozan’izay mampisotro toaka ny namany,

dia ianao izay manome poizina ka mampahamamo azy

mba hijery ny fitanjahany!

16Efa feno henatra ianao fa tsy voninahitra;

mba misotroa koa ka asehoy ny fitanjahanao!

Hatolotra anao ny kapoaka eny an-tanana ankavanan’NY TOMPO,

ary fahamenarana no ho solon’ny voninahitrao.

17Fa hanody anao ny herisetra natao tamin’i Libanona

sy ny fandringanana mahatahotra

namelezana ny biby,

noho ny ran’olona

sy ny herisetra natao tamin’ny tany,

dia tamin’ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.

18Inona moa no ilàna ny sarin-javatra voasokitra,

no misokitra azy ny mpanao azy?

Na ny sarin-javatra voarendrika

sy ny mpampianatra lainga,

no matoky azy izay namorona azy

ka manao sampy moana aminy?

19Lozan’izay miteny amin’ny hazo hoe: Mifohaza!

Ary amin’ny vato moana hoe: Mitsangàna!

Hampianatra va ireo?

E! voapetaka takelaka volamena sy volafotsy ihany izy,

nefa tsy misy fanahy akory ao anatiny.

20NY TOMPO dia ao amin’ny tempoliny masina.

Aoka hangina eo anatrehany ny tany rehetra!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help