Salamo 112 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny fahasambaran’ny olona mahitsy

1 Haleloia.

Sambatra ny olona izay matahotra NY TOMPO

sady mankasitraka ny didiny indrindra.

2Hahery ambonin’ny tany ny zanany;

hotahina ny taranaky ny marina.

3Fananana sy harena no ao an-tranony;

haharitra mandrakizay ny fahamarinany.

4Ao amin’ny maizina no iposahan’ny mazava ho an’ny olona mahitsy;

mamindra fo sy miantra ary marina ireny.

5Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra

ary mitantana ny raharahany amin’ny fahamarinana.

6Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy;

hotsarovana mandrakizay ny marina.

7Tsy mba matahotra ny hahare loza izy;

tafatoetra ny fony, matoky NY TOMPO izy.

8Tsara mpanohana ny fony ka tsy hatahotra izy,

mandra-pifaliny mahita ny amin’ny mpandrafy azy.

9Malala-tanana izy; eny, manome ho an’ny mahantra;

maharitra mandrakizay ny fahamarinany;

hisandratra amim-boninahitra ny fahamboniany.

10Hahita azy ny ratsy fanahy ka ho sosotra;

hihidy vazana izy ka ho levona;

ho foana ny fanirian’ny ratsy fanahy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help