Hosea 3 - Malagasy Protestant Bible 2011

Fizahan-toetra

1Hoy NY TOMPO tamiko: Mandehana indray, tiava vehivavy izay tian’ny sakaizany nefa mijangajanga, dia tahaka ny fitiavan’NY TOMPO ny Zanak’Israely; nefa ireo kosa dia mitodika ho amin’izay andriamanitra hafa sady tia mofo voaloboka.

2Dia novidiko sekela volafotsy dimy amby folo sy varimbazaha iray homera sy tapany izy.

3Ary hoy aho taminy: Andro maro no hijanonanao amiko; fa tsy mahazo mijangajanga na manambady olon-kafa ianao; ary izaho koa dia ho toy izany aminao.

4Fa andro maro no hitoeran’ny Zanak’Israely tsy hanana mpanjaka, na mpanapaka na fanatitra na tsangambato na efoda na terafima.

5Rehefa afaka izany dia hiverina ny Zanak’Israely ka hitady NY TOMPO Andriamaniny sy i Davida mpanjakany; ary handeha amin-kovitra hanatona NY TOMPO sy ny fahasoavany izy amin’ny ho avy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help