Hosea 10 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny fiafaran’ny fanjakana sy ny fivavahana amin’ny sampy

1Voaloboka nisandrahaka Israely,

namoa ho azy izy;

arakaraka ny habetsahan’ny voany

no nanaovany alitara betsaka;

arakaraka ny hatsaran’ny taniny

no nanaovany tsangambaton-tsampy tsara tarehy.

2Mamitaka ny fony,

koa hovaliana izy izao noho ny helony.

NY TOMPO no hanimba ny alitarany

sy handrava ny tsangambaton-tsampiny.

3Ankehitriny dia hoy izy hoe:

Tsy manana mpanjaka isika;

fa tsy natahorantsika NY TOMPO,

kanefa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?

4Namoaka teny maro izy,

nanao fianianana mandainga,

nanao fifanekena;

fa nitrebona toy ny zava-mangidy

eny am-bava asa eny an-tsaha ny fitsarana azy.

5Matahotra ny mponina any Samaria noho ny amin’ny ombivavy kely ao Bety-Avena;

mitomany azy ny olony

ary mangovitra noho ny aminy ny mpisorony,

dia noho ny amin’ny voninahiny izay lasan-ko babo.

6Hoentina any Asiria koa iny

ho fanomezana ho an’i Jareba mpanjaka.

Ho afa-baraka i Efraima;

eny, hangaihay Israely noho ny zavatra nosaininy.

7Ho rava i Samaria, ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin’ny rano ny mpanjakany.

8Ho rava koa ny toerana fanaovana sorona ao Avena izay anotan’ny Israely;

ho rakotry ny tsilo sy songosongo ny alitarany.

Hiteny amin’ny tendrombohitra izy hoe: Saròny izahay!

Ary amin’ny havoana hoe: Mianjerà aminay!

9Hatramin’ilay tany Gibea fahiny

no efa nanotanao, ry Israely!

Niziriziry tamin’izany izy;

tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana!

10Araka ny sitrako no hamaizako azy;

hovorina hamely azy ny firenena

amin’ny hamatorana azy noho ny helony roa loha.

11Tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka i Efraima

ka faly manosihosy vary;

hasiako zioga ny vozony tsara tarehy.

Horoahiko i Efraima,

hiasa tany i Joda

ary handravona azy i Jakoba.

12Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana,

mijinjà araka ny fitiavana,

miasà tany vaovao ho anareo.

Fa izao no andro hitadiavana NY TOMPO

ambara-piaviny

sy handatsahany fahamarinana aminareo.

13Asa ratsy no nataonareo

ka tsy fahamarinana no nojinjainareo;

nihinana ny vokatry ny lainga ianareo.

Koa satria nitoky tamin’ny lalanao

sy ny habetsahan’ny lehilahy maherinao ianao

14dia hisy tabataba hamelezana ny olonao

ka horavana ny tanànanao mimanda rehetra,

toy ny nandravan’i Salamana an’i Bety-Arbela

tamin’ny andro niadiana

ka niara-torotoro ny reniny sy ny zanany.

15Toy izany no hanjo anareo, ry Betela

noho ny haben’ny faharatsianareo;

raha maraina ny andro

dia ho levona tanteraka ny mpanjakan’ny Israely.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help