Isaia 50 - Malagasy Protestant Bible 2011

Manana ny fomba hamonjeny ny olony Andriamanitra

1Izao no lazain’NY TOMPO:

Aiza izay taratasy fisaoram-bady

nisaorako ny reninareo?

Ary iza amin’izay manan-trosa Amiko no nivarotako anareo?

Tsia, fa noho ny helokareo ihany

no nivarotana anareo

ary noho ny hadisoanareo ihany

no nisaorana an-dreninareo.

2Nahoana no tsy nisy olona fony tonga Aho?

Nahoana no tsy nisy namaly fony niantso Aho?

Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy?

Moa tsy manan-kery hoenti-manafaka va Aho?

Indro, amin’ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina

sy anovako ny ony ho tany efitra;

maimbo ny hazandranony noho ny tsy fisian’ny rano,

fa matin-ketaheta ireny.

3Tafiako haizina ny lanitra

ary lamba fisaonana no ataoko fisaronany.

Ny Mpanompon’NY TOMPO

4NY TOMPO Andriamanitra no nanome Ahy

ny lelan’ny efa mahay,

mba hahaizako milaza teny

hampatanjaka izay reraka;

fohaziny isa-maraina isa-maraina Aho;

eny, fohaziny ny sofiko

mba hihaino

tahaka ny efa mahay.

5Nanokatra ny sofiko NY TOMPO Andriamanitra

ary tsy nanohitra na nihemotra Aho.

6Natolotro ho amin’ny mpikapoka ny lamosiko

ary ny takolako ho amin’izay manongotra ny volombavako.

Tsy nafeniko tamin’ny henatra sy ny rora ny tavako.

7Nefa NY TOMPO Andriamanitra no namonjy Ahy

ka tsy resin-kenatra Aho;

efa nohamafisiko ho tahaka ny vatoafo ny tavako

ka fantatro fa tsy hitsanga-menatra Aho.

8Efa akaiky izay manamarina Ahy:

Iza no hiady Amiko?

Andeha hiara-mitsangana isika!

Iza no manana ady Amiko?

Aoka izy ho avy eto Amiko.

9Indro NY TOMPO Andriamanitra no hamonjy ahy,

koa iza no hanameloka ahy?

Indro izy rehetra dia ho tonga tahaka ny lamba mangarahara,

ho lanin’ny kalalao izy.

10Iza aminareo no matahotra NY TOMPO

ka mihaino ny feon’ny Mpanompony?

Na iza na iza mandeha amin’ny maizina

ka tsy manana fahazavana

dia aoka izy hatoky ny anaran’NY TOMPO

sy hiankina amin’Andriamaniny!

11E! Ianareo rehetra izay mampirehitra afo

sy mifehy kilalaon’afo manodidina anareo,

mandehana ao amin’ny fidedadedan’ny lelafonareo

sy amin’ny zana-tsipìka misy afo izay narehitrareo!

Izany no hanjo anareo avy amin’ny tanako;

handry amin’ny fahoriana ianareo!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help