Fitomaniana 4 - Malagasy Protestant Bible 2011

Izao no faranyalef א

1Indrisy!

Tonga matromatroka ny volamena;

niova ny volamena tsara!

Ny vato nohamasinina dia naely

eny an-joron-dalambe rehetra eny.

bet ב

2Ny zanaka sarobidin’i Ziona

izay nosandaina tahaka ny volamena tsy miharo

dia indrisy, efa atao toy ny siny tany,

asan’ny tanan’ny mpanefy tanimanga!

gimel ג

3Na ny amboahaolo aza dia manolotra nono

hampinonoany ny zanany;

fa ny oloko zanakavavy kosa dia tonga masiaka

toy ny aotirisy any an-tany efitra.

dalet ד

4Ny lelan’ny zaza minono

dia miraikitra amin’ny lanilaniny noho ny hetaheta;

ny ankizy madinika dia mangataka mofo,

nefa tsy misy mizara ho azy.

he ה

5Izay nihinana hanim-py

dia miala aina eny an-dalambe;

izay notezaina tamin’ny jaky

dia mamihina zezika.

vav ו

6Fa ny heloky ny oloko zanakavavy dia lehibe

noho ny helok’i Sodoma

izay noravana indray mipy maso monja,

nefa tsy nokasihin-tanana akory,

zaìn ז

7Ny Naziritany dia mangatsakatsaka noho ny fanala;

eny, fotsy noho ny ronono;

mena noho ny voahangy ny tenany,

ary tahaka ny vato safira ny endriny.

het ח

8Fa izao kosa dia mainty noho ny arina ny tarehiny

ka tsy misy mahafantatra azy eny an-dalana;

miraikitra amin’ny taolany ny hodiny

ka tonga maina toy ny hazo.

tet ט

9Tsara ny matin-tsabatra

noho ny maty mosary,

fa mihareraka toy ny voatrobaka ihany izy

noho ny tsy fisian’ny vokatry ny saha.

iod י

10Ny tanan’ny vehivavy malemy fanahy aza

dia nahandro ny zanany;

eny, izany no nohaniny

tamin’ny fandringanana ny oloko zanakavavy.

kaf כ

11Tanterahin’NY TOMPO ny fahavinirany

ka naidiny ny fahatezerany mirehitra;

nampirehitra afo tao Ziona Izy

handevonana ny fanorenany.

lamed ל

12Ny mpanjakan’ny tany sy ny mponina rehetra amin’izao tontolo izao

dia tsy nanampo

fa ny mpanohitra sy ny fahavalo no ho tafiditra

ao amin’ny vavahadin’i Jerosalema.

mem מ

13Noho ny fahotan’ny mpaminany

sy ny heloky ny mpisorony

izay nandatsaka ny ran’ny marina tao aminy

no nahatonga izao.

non נ

14Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy,

mihosin-dra rahateo ny tenany

ka tsy nisy sahy nikasika ny akanjony.

samek ס

15Ny olona dia niantsoantso azy hoe: Mialà ianareo fa maloto!

Mialà! Mialà! Aza mikasika anay!

Raha nandositra sy niraparapa izy dia hoy ny olona tany amin’ny hafa firenena:

Tsy mahazo mivahiny atỳ intsony ireny.

pe פ

16Ny tavan’NY TOMPO no nampihahakahaka azy,

ary tsy mijery azy intsony Izy;

ny mpisorona dia tsy hajain’ireny

ary ny antitra dia tsy amindrany fo.

aìn ע

17Mbola pahina ny masonay

miandry foana ny hamonjena anay;

nitazana teo amin’ny tilikambo fitazanana izahay

nanantena ny firenena izay tsy nahavonjy anay.

tsade צ

18Mitsongo dia anay izy

ka tsy mahazo mandeha izahay na dia eny an-dalambe aza;

akaiky ny fara fiainanay, tapitra ny andronay;

eny, tonga ny fara fiainanay.

kof ק

19Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha

noho ny voromahery eny amin’ny lanitra

ka milomay manenjika anay any an-tendrombohitra

ary manao vela-pandrika ho anay any an-tany efitra.

res ר

20Ny fofonainay, ilay voahosotry NY TOMPO,

dia efa voafandriky ny longoany,

dia ilay nataonay hoe:

Ao ambanin’ny alokalony no hahavelona anay any amin’ny hafa firenena.

sin ש

21Mifalia sy miravoravoa ihany, ry Edoma zanakavavy

izay monina any amin’ny tany Oza;

ianao koa no horosoana ny kapoaka

ka ho mamo sy hitanjaka.

tao ת

22Tsy misy intsony ny helokao,

ry Ziona zanakavavy,

tsy hoentina ho babo intsony ianao;

hamaly anao noho ny helokao Izy, ry Edoma zanakavavy,

ka hampiseho ny fahotanao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help