2Tantara 27 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny nanjakan’i Jotama 2Mpa 15.32-38

1Dimy amby roapolo taona i Jotama raha nanomboka nanjaka ary enina amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Jerosa, zanakavavin’i Zadoka.

2Nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO izy, tahaka izay nataon’i Ozia rainy; nefa kosa tsy mba niditra tao amin’ny tempolin’NY TOMPO izy. Ary mbola nanao izay ratsy ihany ny vahoaka rehetra.

3Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin’ny tranon’NY TOMPO sady nanorina asa rafitra betsaka tamin’ny mandan’i Ofela koa.

4Nanorina tanàna teny amin’ny tany be havoana any Joda sy trano fiarovana ary tilikambo tany an’ala koa izy.

5Niady tamin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin’izany taona izany ny taranak’i Amona dia nanome azy talenta volafotsy zato ary karazam-barimbazaha samihafa, iray alina kora avy; izany no naloan’ny taranak’i Amona ho azy tamin’ny taona faharoa sy fahatelo koa.

6Dia nitombo hery i Jotama, satria nizotra tsara teo anatrehan’NY TOMPO Andriamaniny izy.

7Ary ny tantaran’i Jotama sisa mbamin’ny adiny rehetra sy ny nataony rehetra, indro, efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’ny Israely sy ny Joda izany.

8Dimy amby roapolo taona izy raha nanomboka nanjaka ary enina amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema.

9Ary nodimandry any amin’ny razany i Jotama, dia nalevina tany an-Tanànan’i Davida izy; ary i Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help