1Ny tenin’NY TOMPO, izay tonga tamin’i Hosea, zanak’i Bery, tamin’ny andro nanjakan’i Ozia, i Jotama, i Ahaza ary i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andron’i Jeroboama, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Israely.
Ny zanak’i Hosea sy i Gomera2Ny fiandohan’ny tenin’NY TOMPO tamin’ny alalan’i Hosea:
Hoy NY TOMPO tamin’i Hosea:
Andeha ianao manambady vehivavy janga,
zanaky ny fijangajangana,
fa fatra-mpijangajanga
miala amin’NY TOMPO ny tany.
3Dia lasa izy naka an’i Gomera, zanakavavin’i Diblaima. Ary nanana anaka Ravehivavy ka nitera-dahy taminy.
4Hoy NY TOMPO taminy:
Ataovy hoe Jezirela ny anarany;
fa vetivety foana
dia hovaliako ny taranak’i Jeho
noho ny ra nalatsaka tao Jezirela,
ary hatsahatro ny fanjakan’ny taranak’Israely.
5Amin’izany andro izany dia hotapahiko ny tsipìkan’ny Israely
ao amin’ny tany lemaka Jezirela.
6Ary nanana anaka indray Ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy NY TOMPO taminy:
Ataovy hoe Lo-Rohama ny anarany;
fa tsy hamindra fo
amin’ny taranak’Israely intsony Aho;
eny, tsy havelako mihitsy ny helony.
7Fa ny taranak’i Joda no hamindrako fo, ary Izaho TOMPO Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin’ny tsipìka, na amin’ny sabatra na amin’ny ady na amin’ny soavaly na amin’ny mpitaingin-tsoavaly.
8Rehefa nisara-nono i Lo-Rohama dia nanana anaka indray ny reniny ka nitera-dahy.
9Dia hoy NY TOMPO:
Ataovy hoe Lo-Amỳ ny anarany
fa tsy oloko ianareo,
ary Izaho tsy anareo.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.