Salamo 142 - Malagasy Protestant Bible 2011

Fialofana farany ho an’izay enjehina NY TOMPOTononkalo nataon’i Davida tamin’izy tao anaty lavabato. Vavaka.

1Ny feoko no itarainako amin’NY TOMPO;

ny feoko no ifonako amin’NY TOMPO.

2Loarako eo anatrehany ny fitarainako;

ambarako eo anatrehany ny fahoriako.

3Raha reraka ato anatiko ny fanahiko

dia fantatrao ny alehako;

eo amin’ny lalana izorako

no nanafenany fandrika hamandrihany ahy.

4Jereo eo amin’ny ankavanana ka zahao

fa tsy misy olona mahafantatra ahy;

foana avokoa ny toerana fialofako;

tsy misy miahy ny fanahiko.

5Mitaraina aminao aho, TOMPO ô;

hoy aho: Ianao no aroko

sy anjarako eo amin’ny tanin’ny velona.

6Henoy ny fitarainako

fa reraka loatra aho;

afaho amin’ny mpanenjika ahy aho

fa tsy leoko ireny.

7Avoahy hiala amin’ny tranomaizina ny fanahiko

mba hiderako ny anaranao;

hanodidina ahy ny marina

satria manisy soa ahy Ianao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help