1Izao no teny farany nataon’i Davida:
Hoy i Davida, zanak’i Jese,
dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony,
ilay voahosotry ny Andriamanitr’i Jakoba
sady mpanao hira mahafinaritra ho an’ny Israely:
2Ny Fanahin’NY TOMPO no mampiteny ahy,
ary ny teniny no eo amin’ny lelako;
3Andriamanitry ny Israely milaza,
eny, ny Vatolampin’ny Israely miteny amiko hoe:
Indro ny mpanapaka ny olona;
marina izy sady manapaka amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra;
4izy dia toy ny fahazavan’ny maraina, raha miposaka ny masoandro,
dia ilay maraina tsy misy rahona iny;
ny ahitra dia mandrobona amin’ny tany noho ny hainandro manarakaraka ny ranonorana.
5Moa tsy toy izany indrindra va ny taranako amin’Andriamanitra?
Satria fanekena mandrakizay no nataony tamiko,
voalamina amin’ny zavatra rehetra sady voatandrina;
moa tsy hampitsimohiny va
ny famonjena ahy rehetra sy ny faniriako rehetra?
6Ny tena ratsy fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana,
fa tsy azo raisin’ny tanana izy;
7Ary ny olona izay mikasika azy
dia tsy maintsy mitondra vy sy zaran-defona;
ary hodorana amin’ny afo avokoa amin’izay itoerany ireny.
Ny anaran’ireo lehilahy maherin’i Davida 1Tan 11.10-478Izao no anaran’ireo lehilahy maherin’i Davida: i Joseba-Basebeta takemonita no lehiben’ny mpanafika malaza. Izy no ilay Edino eznita izay namely ny valonjato lahy ka nahafaty azy tamin’ny ady indray mandeha monja.
9Ny manarakaraka azy dia i Eleazara, zanak’i Dodo, zanak’i Ahoha, iray amin’izy telo lahy mahery teo amin’i Davida, raha nihantsy ny Filistina izay niangona hiady ireo ka niakatra ny lehilahy tamin’ny Israely.
10Izy no nitsangana ka namely ny Filistina mandra-pahavizan’ny tanany ka efa niraikitra tamin’ny sabatra. Ary NY TOMPO nanao famonjena lehibe tamin’io andro io. Ny haka babo ihany no sisa niverenan’ny olona hanaraka an’i Eleazara.
11Manarakaraka azy dia i Sama, zanak’i Age hararita. Nony nivory ho andiany iray teo amin’ny tany nisy voanemba maniry ny Filistina dia nandositra azy ny olona.
12Nijoro teo afovoan’io tany io kosa anefa i Sama ka nahazo azy ary namono ny Filistina. Nanao famonjena lehibe NY TOMPO.
13Nisy telo lahy samy malaza avy tamin’ny telopolo lahy nidina koa ka tonga tao amin’i Davida tao amin’ny zohin’i Adolama nony fararano; ary ny miaramilan’ny Filistina dia nitoby teo amin’ny lohasahan’ny Refaìta.
14Tao amin’ny toeram-piereny i Davida tamin’izay ary ny miaramilan’ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
15Dia nilaza ny faniriany i Davida hoe: Iza re no mba hampisotro rano ahy avy amin’ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin’ny vavahady e!
16Dia namakivaky teo amin’ny miaramilan’ny Filistina ireo telo lahy mahery fo ka nanovo rano tamin’ny fantsakana tao Betlehema, izay teo anilan’ny vavahady, dia noentiny ho any amin’i Davida; kanjo tsy nety nisotro izy fa naidiny ho an’NY TOMPO iny.
17Fa hoy i Davida: Sanatria, TOMPO ô, raha hanao izany aho; tsy ran’ny lehilahy izay nandeha nanao vy very ny ainy va ity? Dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon’ireo telo lahy mahery fo ireo.
18I Abisay, rahalahin’i Joaba, zanak’i Zeroia, no lehibe tamin’izy telo lahy, namely ny telonjato lahy tamin’ny lefona izy ka nahafaty azy ireo, ary izy no nalaza tamin’izy telo lahy.
19Izy no be voninahitra noho izy telo lahy. Izy no lehibeny; nefa tsy nahomby noho izy telo lahy ireo izy.
20Ary i Benaia, zanak’i Joiada, zanaka lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be, izy no namono ny roa lahy mahery tany Moaba; izy no nidina ka namono ny liona tao an-davaka fantsakana tamin’ilay andro nisy orampanala iny;
21ary izy koa no namono ilay Ejiptiana makadiry be. Nitondra lefona teny an-tanany ilay Ejiptiana, nefa nidina teny aminy tamin’ny tehina i Benaia ka nosarihany ny lefona teny an-tanan’ilay Ejiptiana, ary iny lefony iny ihany no namonoany azy.
22Izany no nataon’i Benaia, zanak’i Joiada, ary tamin’izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
23Nalaza noho ny telopolo lahy izy, nefa tsy nahatratra ny vitan’izy telo lahy teo. Ary nanendry azy ho isan’ny mpanolotsaina azy i Davida.
24I Asahela, rahalahin’i Joaba kosa no iray amin’ny telopolo;
i Elanana, zanak’i Dodo, avy any Betlehema,
25i Sama harodita,
i Elika harodita,
26i Heleza paltita,
Ira, zanak’Ikesy tekoita,
27i Abiezera anatotita,
i Mebonay hosatita,
28i Zalmona ahohita,
i Maharay netofatita,
29i Haleba, zanak’i Bana netofatita,
Itahy, zanak’i Ribay, avy any Gibean’ny taranak’i Benjamina,
30i Benaia piratonita,
i Hiday, avy any amin’ny lohasahan-driakan’i Gaasy,
31i Aby-Albona arbatita,
i Azmaveta baromita,
32i Eliaba salbonita,
i Bene-Jasena,
i Jonatana,
33i Sama hararita,
i Ahiama, zanak’i Sarara hararita,
34i Elifeleta, zanak’i Ahasbay, zanaky ny Makatita,
i Eliama, zanak’i Ahitofela gilonita,
35i Hezray karmelita,
i Paray arbita,
36i Jigala, zanak’i Natana, avy any Zoba,
i Bany gadita,
37i Zeleka amonita,
i Naharay berotita, mpitondra ny fiadian’i Joaba, zanak’i Zeroia,
38Ira jitirita,
i Gareba jitirita,
39i Oria hetita. Fito amby telopolo no isan’izy rehetra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.