Isaia 63 - Malagasy Protestant Bible 2011

Mamaly ny olony NY TOMPO

1Iza moa ity avy any Edoma,

avy any Bozra, miakanjo mena midorehitra,

mareva-pitafiana

sy miandranandrana

amin’ny haben’ny heriny?

Izaho izay mitory fahamarinana

sady manan-kery hamonjy.

2Nahoana no mena ny fitafianao,

ary tahaka ny an’izay manosihosy ao amin’ny famiazam-boaloboka ny akanjonao?

3Nanosihosy irery tao amin’ny famiazam-boaloboka Aho

fa tsy mba nisy niaraka Tamiko ny avy tamin’ny firenena na dia iray akory aza;

nanitsaka ireny tamin’ny fahatezerako Aho

ary nanosihosy azy tamin’ny fahavinirako,

dia nipitipitihan’ny rany ny fitafiako

ka voalotoko ny akanjoko rehetra.

4Fa efa ato am-poko ny andro hamaliako

ary tonga ny taonan’ny fanavotako.

5Nitsinjo Aho,

nefa tsy nisy olona hanampy Ahy;

ary talanjona Aho,

satria tsy nisy olona hanohana Ahy.

Koa ny sandriko ihany no nanao famonjena ho Ahy

ary ny fahavinirako no nanohana Ahy.

6Nanitsaka firenena tamin’ny fahatezerako Aho

sady nahamamo azy tamin’ny fahavinirako

ary nandatsaka ny rany tamin’ny tany.

Fampahatsiahivana ny soa nataon’NY TOMPO

7Ny famindrampon’NY TOMPO no hambarako,

dia ny asany mendri-piderana

araka izay rehetra nataon’NY TOMPO tamintsika

sy ny haben’ny fahasoavana tamin’ny taranak’Israely,

dia ny soa nataony taminy

araka ny fiantrany

sy ny haben’ny famindrampony.

8Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo,

dia zanaka tsy mba handainga!

Dia tonga Mpamonjy azy Izy.

9Tamin’ny fahoriany rehetra

dia niory tokoa Izy,

dia ilay Anjely nialoha Azy no namonjy ireo;

ny fitiavany sy ny famindrampony

no nanavotany azy

sy nivimbinany azy ary nitondrany azy

tamin’ny andro taloha ela rehetra.

10Ireo kosa dia nikomy

ka nanome alahelo ny Fanahiny Masina.

Dia tonga fahavalony Izy

ka niady taminy.

11Ary ny olony dia nahatsiaro ny andro taloha ela, tamin’ny andron’i Mosesy:

Aiza Ilay nitondra azy mbamin’ny mpiandry ondriny

niakatra avy tamin’ny ranomasina?

Aiza Ilay nametraka ny Fanahiny Masina tao aminy?

12Dia Ilay nampandeha ny sandriny be voninahitra

teo ankavanan’i Mosesy

ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloany,

mba hanaovany anarana mandrakizay ho Azy,

13Ilay nitondra azy nita ny rano lalina,

tahaka ny fandehan’ny soavaly any an-tany efitra

ka tsy nahatafintohina azy.

14Tahaka ny fidinan’ny biby fiompy ho any an-dohasaha

no nanomezan’ny Fanahin’NY TOMPO fitsaharana ho azy.

Tahaka izany no nitondranao ny olonao

mba hanaovana anarana be voninahitra ho Anao.

Vavaka: Raha triarinao ny lanitra

15Mitsinjova eny an-danitra ka mijere

eny amin’ny fonenan’ny fahamasinanao sy ny voninahitrao:

Aiza ny fahasaro-piaronao sy ny asanao lehibe?

Ny fandevilevin’ny kibonao sy ny famindramponao

dia voasakana tsy ho amiko.

16Kanefa Ianao no Rainay,

fa tsy mahalala anay i Abrahama

ary tsy mahafantatra anay Israely,

TOMPO ô, Ianao no Rainay,

Mpanavotra anay no anaranao hatrizay hatrizay.

17TOMPO ô, nahoana no nampiala anay hanalavitra ny lalanao Ianao?

Sady nanamafy ny fonay tsy hatahotra Anao?

Miverena noho ny amin’ny mpanomponao,

dia ny firenena lovanao!

18Vetivety foana no nananan’ny olonao masina ny tany;

efa nanitsaka ny toeranao masina ny fahavalonay.

19Efa tonga tahaka izay tsy nanananao fahefana

hatrizay hatrizay izahay,

sady tsy mba nantsoina tamin’ny anaranao akory.

Enga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao,

dia hiempo eo anoloanao ny tendrombohitra;

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help