Efesiana INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011
INDRAY MIJERYNosoratan’i Paoly fony izy tany an-tranomaizina tany Roma, tahaka ny epistily ho an’ny Filipiana, Kolosiana ary Filemona ity epistily ity. Tsy mahagaga raha be itovizany amin’ny Kolosiana ny zavatra sasany voambara ato.Nipetraka naharitra tao Efesosy i Paoly araka ny voalazan’ny Asa 18, 19, 20, kanefa toa tsy fantany mivantana akory ireto olona anoratany ireto.Ny sora-tanana sasany nandikana ity epistily ity koa anefa dia tsy ahitana ny anarana hoe Efesosy. Koa izany no hiheverana fa ity epistily ity angamba ilay epistily natao hovakin’ny olona mifandimby, izay voalaza ao amin’ny Kol 4.16 ho an’ny Laodikiana.Ny votoatin’ny EpistilyNy fikasan’Andriamanitra hanangona indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra na ny etỳ an-tany, no votoatin’ny Epistily. Ny fahasoavan’Andriamanitra no antony. Zava-dehibe manerana ny Epistily manontolo io firaisana io: Ny Fiangonana dia sady vahoakan’Andriamanitra no tenan’i Kristy izay Lohany. Ny fampihavanana ny Jiosy sy ny Jentilisa dia tanteraka noho ny hazofijaliana ka manjary ankohonan’Andriamanitra sy fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy ary olom-baovao ao amin’i Kristy ny olona izay mino. Ny fifandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny fanambadiana dia oharina amin’ny fifandraisan’i Kristy sy ny Fiangonana. Ny fifanajan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, ny tompo sy ny mpanompo, dia samy fehezin’ny maha olom-baovao ao amin’i Kristy avokoa.Ny firafitry ny EpistilyFizarana voalohany: Ny fikasan’Andriamanitra momba ny firaisana ao amin’i Kristy: toko 1–3Ny firaisan’ny zavaboahary ao amin’i Kristy: 1.3-23Ny fiainana ao amin’i Kristy: 2.1-10Ny fampihavanana ny Jiosy sy ny Jentilisa: 2.11-22Ny andraikitr’i Paoly amin’ny fitoriana ny Filazantsara: 3.1-13Vavaka mba hahafantarana ny fitiavan’Andriamanitra: 3.14-21Fizarana faharoa: Ny fiainana sy fiombonan’ny olom-baovao asehony eo amin’ny fifandraisany: toko 4–6Ny firaisana ho vatana iray ao amin’i Kristy: 4.1-16Ny fiainana kristiana andavanandro: 4.17–5.21Ny fifandraisan’ny lehilahy sy vehivavy eo amin’ny fanambadiana, ny ray aman-dreny sy ny zanaka ary ny tompo sy ny mpanompo: 5.22–6.9Ny fiadian’Andriamanitra: 6.10-20Fanaovam-beloma: 6.21-24