Salamo 28 - Malagasy Protestant Bible 2011

Vavaky ny olona eo ambavahoanan’ny fahafatesanaNataon’i Davida.

1Ianao no antsoiko, TOMPO ô!

Ry Vatolampiko ô! Aza manentsin-tadìny amiko,

fandrao raha mangina amiko Ianao

dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho.

2Mihainoa ny feon’ny fifonako rehefa mitaraina Aminao aho

ka manandratra ny tanako ho amin’ny fitoeranao ao amin’ny Masina Indrindra.

3Aza atao indray manakipaka amin’ny ratsy fanahy sy ny mpanao heloka aho

fa ireny dia milaza fihavanana amin’ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony.

4Manomeza azy araka ny asany sy ny faharatsian’ny ataony;

eny, manomeza azy araka ny asan’ny tanany,

valio araka izay mendrika azy izy!

5Satria tsy mihevitra ny asan’NY TOMPO izy

na ny asan’ny tanany

dia aoka horavan’NY TOMPO izy fa tsy haoriny!

6Isaorana anie NY TOMPO!

Fa efa nihaino ny feon’ny fifonako Izy.

7NY TOMPO no heriko sy ampingako;

Izy no nitokian’ny foko ka voavonjy aho;

dia mifaly ny foko

ka ny hirako no hiderako Azy.

8NY TOMPO no heriny,

Izy no fiarovana mafy hamonjena ny Voahosony.

9Vonjeo ny olonao ary tahio ny lovanao!

Andraso izy ka ento hatramin’ny mandrakizay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help