Tononkiran’i Solomona 8 - Malagasy Protestant Bible 2011

1Enga anie ka ho tahaka ny anadahiko izay ninono tamin’Ineny ianao,

dia ho nahita anao teny alatrano aho ka ho nanoroka anao,

eny, tsy ho azon’olona noesoesoina aho.

2Dia hoentiko ka hampidiriko ho ao an-tranon’Ineny ianao,

ary ampianaro aho;

hampisotroiko divay noharoharoan-javamanitra

mbamin’ny ranon’ampongabendanitro ianao.

3Aoka hanondana ahy ny tanany havia,

ary aoka hamihina ahy ny tanany havanana.

(Olon-kafa?)

4Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin’i Jerosalema:

Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.

Mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana(Olon-kafa)

5Iza moa irỳ vehivavy miakatra avy any an-tany efitra,

mitehina amin’ny malalany?

(Ravehivavy)

Teo ambanin’ny hazo paoma no namohazako anao;

teo no niterahan’ny reninao anao,

eny, teo no nahararian’ilay niteraka anao.

6Ataovy toy ny tombo-kase ao am-ponao

sy toy ny tombo-kase eo an-tsandrinao aho;

fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana,

masiaka tahaka ny fitoeran’ny maty ny fahasaro-piaro;

ny lelafony dia lelafo midedadeda,

eny, lelafon’NY TOMPO.

7Na dia ny ony maro aza dia tsy afaka hamono ny afon’ny fitiavana,

ary na ny renirano aza dia tsy mahapaoka azy;

na dia misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony aza hividianana fitiavana

dia hatao tsinontsinona izy.

(Olon-kafa)

8Manana zandry vavy tsy mbola misy nono izahay;

ahoana no hataonay amin’ny zandrinay vavy

raha tonga izay andro hangatahan’olona azy ho vady?

9Raha rindrimbe izy

dia hanangananay tilikambo volafotsy eo an-tampony;

fa raha varavarana kosa izy

dia hotampenanay hazo fisaka sedera.

(Ravehivavy)

10Rindrimbe aho, ary ny nonoko dia toy ny tilikambo.

Raha eo imasony dia toy ny efa mahita fiadanana aho.

(Ralehilahy)

11Nanana tanim-boaloboka tao Baala-Hamona i Solomona;

nahofany tamin’ny olona mpiandry voly io tanim-boaloboka io

ka samy tsy maintsy mitondra sekela volafotsy arivo ho solon’ny vokatra ao ny tsirairay.

12Ny tanim-boaloboko, eny, ilay an’ny tenako, dia eto anatrehako,

ny arivo kosa dia anao ry Solomona,

ary ny roanjato dia ho an’izay mpiandry voly.

13Ry mitoetra eny an-tsaha!

Te hihaino ny feonao ireo namako;

mba ampandreneso izany koa aho.

(Ravehivavy)

14Mandosira, ry malalako,

ary aoka ianao mba ho toy ny gazela na ny diera tanora

any an-tendrombohitry ny balisama.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help