Joba 34 - Malagasy Protestant Bible 2011

Tsy misy mitombina izay lazain’i Joba

1Ary mbola niteny ihany i Eliho hoe:

2Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry,

ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana.

3Fa ny sofina no mamantatra teny

ary ny vava no manandrana hanina.

4Koa aoka izay rariny no hodinihintsika

ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika.

5Fa i Joba dia efa niteny hoe: Marina aho,

saingy nesorin’Andriamanitra tamiko ny rariny;

6marina ny ahy nefa ampandaingainy aho;

mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho.

7Aiza no misy lehilahy tahaka an’i Joba

izay misotro famingavingana toy ny rano

8ary tonga naman’ny mpanao ratsy

sady miara-mandeha amin’ny ratsy fanahy?

9Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona

ny mihavana amin’Andriamanitra.

10Koa amin’izany, mihainoa ahy, ianareo manam-panahy!

Lavitra an’Andriamanitra ny hanao ratsy!

Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!

11Fa ny nataon’ny olona ihany no ampanodiaviny azy

ka mamaly ny tsirairay araka ny lalany avy Izy.

12Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy

ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.

13Iza moa no nanendry Azy ho Mpiandraikitra ny tany?

Ary iza no nanorina izao tontolo izao?

14Raha toa ka ny tenany ihany no heveriny

ka hangoniny ho any Aminy ny fanahiny sy ny fofonainy,

15dia hiala avokoa ny ain’ny nofo rehetra

ary hiverina amin’ny vovoka ny olona.

16Raha manam-pahalalana ianao dia henoy izao

ka atongilano amin’ny teniko ny sofinao!

17Moa mahay mitondra va izay tsy tia rariny?

Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao?

18Mety va ny miteny amin’ny mpanjaka hoe: Olom-poana ianao?

Ary amin’ny zanak’andriana hoe: Ry ilay ratsy?

19Tsy mizaha ny tavan’ny lehibe Izy

ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany

satria samy asan’ny tanany avokoa izy rehetra.

20Maty amin’ny indray mipy maso monja amin’ny mamatonalina ireny;

mihetsiketsika ny vahoaka dia ringana izy

ary ny mahery dia lasa tsy nesorin-tanan’olona.

21Fa ny mason’Andriamanitra dia mijery ny alehan’ny olona

ary mahita ny diany rehetra Izy.

22Tsy misy haizina na aloky ny fahafatesana

izay ahazoan’ny mpanao ratsy miery.

23Fa Andriamanitra tsy miandry ela vao mandinika ny olona

izay tonga hotsaraina eo anatrehany.

24Manorotoro ny olona mahery Izy na dia tsy manadina azy aza

ka manangana olon-kafa hisolo azy.

25Fa fantany ny asan’ireo

ka manongana azy amin’ny alina Izy dia torotoro ireo.

26Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin’ny ratsy fanahy ireo

eo imason’ny vahoaka.

27Izany dia noho ny nialan’ireo tamin’Andriamanitra

ka tsy nitandremany ny lalany akory.

28Noho izany dia tonga eo anatrehany ny fitarainan’ny madinika

ka reny ny fitarainan’ny ory.

29Raha mangina Izy, iza no hahay hanameloka Azy?

Raha manafin-tava Izy, iza no hahajery Azy?

Nefa Izy dia mijery ny firenena na ny olona tsirairay

30mba tsy hanjakan’ny ratsy fanahy

ary tsy ho voafandrika ny vahoaka.

31Fa moa va mba efa nisy niteny tamin’Andriamanitra hoe:

Efa nivesatra ny fijaliako aho ka tsy hanao ratsy intsony;

32izay tsy hitako dia mba ampianaro ahy;

raha nanao ratsy aho dia tsy hanao intsony?

33Moa araka ny hevitrao va no hamalian’Andriamanitra ny ataon’ny olona no mandà ny toroheviny ianao?

Ianao no mifidy fa tsy izaho!

Koa izay fantatrao no ambarao!

34Ny olona manam-panahy no hilaza amiko

ary ny olon-kendry izay mihaino ahy dia hiteny amiko hoe:

35Miteny tsy amim-pahalalana i Joba

ary ny teniny dia tsy amim-pahendrena.

36Enga anie ka hozahan-toetra mandrakariva i Joba

noho ny famaliny araka ny fanaon’ny ratsy fanahy!

37Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany;

miteha-tanana eto amintsika izy

ka manao teny maro hoenti-miady amin’Andriamanitra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help