Isaia 14 - Malagasy Protestant Bible 2011

Hamindra fo amin’i Jakoba NY TOMPO

1Fa NY TOMPO hamindra fo amin’i Jakoba ary mbola hifidy ny Israely indray ka hamponina azy ao amin’ny taniny; hikambana aminy ny vahiny ary hiombona amin’ny taranak’i Jakoba izy.

2Hisy olona maro haka azy ka hanatitra azy hody, ary ny taranak’Israely dia hanana azy ho mpanompolahy sy mpanompovavy ao amin’ny tanin’NY TOMPO. Ho tonga mpamabo ireo izay namabo azy izy, ary hampanompo izay nampahory azy.

Ny hiafaran’ny mpanjakan’i Babilona

3Koa amin’ny andro hanomezan’NY TOMPO fitsaharana anao ho afaka amin’ny fahorianao sy ny fitebitebin’ny fonao ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana anao

4dia hambaranao izao oha-teny ny amin’ny mpanjakan’i Babilona izao hoe:

Akory izay! Nitsahatra ilay mpampahory!

Tsy ao intsony ilay mpampijaly!

5NY TOMPO efa nanapatapaka ny tehin’ny ratsy fanahy,

dia ny tehim-pahefan’ny mpanapaka

6izay namely firenena tamin-katezerana,

tamin’ny kapoka tsy nanam-pitsaharana

sady nampanompo firenena tamin’ny fahavinirana,

tamin’ny fanenjehana tsy misy antra.

7Miadana ka mandry fehizay ny tany manontolo;

velominy ao ny hoby.

8Eny, ny hazo kipreso sy ny sedera any Libanona dia hifaly ny aminao hoe:

Hatrizay nahalavo anao izay

dia tsy misy mpikapa hazo miakatra atỳ aminay intsony.

9Mihetsiketsika ny fitoeran’ny maty any ambany

mba hitsena anao amin’ny fiavianao;

mamoha ny matoatoa hitsena anao izy,

dia ireny osilahy mpitarika rehetra teo ambonin’ny tany ireny;

atsangany hiala amin’ny sezafiandrianany

ny mpanjakan’ny firenena rehetra.

10Dia samy hiteny aminao izy rehetra hoe:

Hay ianao koa mba osa tahaka anay,

efa tonga tahaka anay ianao!

11Navarina ho atỳ amin’ny fitoeran’ny maty ny tabiha sy reharehanao

mbamin’ny feon’ny valihanao;

kankana no ilafihanao,

ary olitra no mandrakotra anao.

12Endre! Nilatsaka avy tany an-danitra ianao,

ry kintana fitarikandro, zanaky ny maraina!

Voakapa hianjera amin’ny tany ianao,

ry ilay mpampanaiky firenena!

13Niteny anakampo ianao hoe: Hiakatra any an-danitra aho,

ary hasandratro ho ambonin’ny kintan’Andriamanitra ny sezafiandrianako;

dia hipetraka eo amin’ny tendrombohitra Fihaonana

any amin’ny farany avaratra aho;

14hiakatra ho any ambonin’ny rahona aho

ka ho tahaka ny Avo Indrindra.

15Kanjo hampidinina hatrany amin’ny fitoeran’ny maty ianao,

ho any am-parany lalina amin’ny lavaka mangitsokitsoka.

16Hibanjina anao izay mahita anao

ka hihevitra anao hoe:

Moa ity va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany

sy nampihozongozona ny fanjakana

17ary nanao izao tontolo izao ho tany efitra

sy nandrava ny tanànany

ary tsy nandefa ny mpifatotra hody?

18Ny mpanjakan’ny firenena rehetra

dia samy mandry amin’ny voninahitra avokoa, samy ao am-pasany avy.

19Fa ianao kosa dia nariana niala lavitra ny fasanao,

tahaka ny solofon-kazo ratsy izay ariana,

sady voatsindrin’ny fatin’ny voavono,

dia ireo voatrabaky ny sabatra

ka nampidinina ho ao amin’ny vato ao an-davaka,

tahaka ny faty hitsakitsahin’ny tongotra.

20Tsy halevina miaraka amin’ireny ianao

satria efa nanimba ny taninao

sady efa namono ny olonao;

tsy hotononina mandrakizay ny taranaky ny mpanao ratsy!

21Omàny ny famonoana hamelezana ny zanany

noho ny heloky ny razany!

Aoka izy tsy hitsangana haka ny tany indray

ka hanorina tanàna manerana an’izao tontolo izao.

22Fa hitsangana hamely azy Aho,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

Hofoanako ny anaran’i Babilona sy izay sisa ao

mbamin’ny zanany sy ny taranany, hoy NY TOMPO.

23Hataoko fonenan’ny sokina sy ho honahona izy

ary hofafako amin’ny kifafa fandringanana,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

Handrava an’i Asiria NY TOMPO

24Nianiana Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hoe:

Araka izay noheveriko no hatao aminy

ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy:

25Hanorotoro ny Asiriana ao amin’ny taniko Aho

ary hanitsakitsaka azy eny amin’ny tendrombohitro;

ny ziogany dia hesorina amin’ireo

ary ny entany dia ho afaka amin’ny sorony.

26Izany no fikasana ny amin’ny tany rehetra

ary izany no tanana miainga hamely ny firenena rehetra.

27Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no efa nikasa, koa iza indray no hahafoana izany?

Miainga ny tanany ka iza no hampihemotra izany?

Ny loza hanjo ny Filistina

28Tamin’ny taona nahafatesan’i Ahaza mpanjaka no nisy izao faminaniana ny loza hanjo izao:

29Aza mifaly, ry tanin’ny Filistina manontolo,

satria hoe tapaka ny tsorakazo namely anao!

Fa avy ao an-kibon’ny bibilava no hiavian’ny menarana,

ary ny aterany dia ho tonga dragona manidina.

30Dia mba hihinana ny fadiranovana indrindra,

ary handry fehizay ny mahantra;

fa hataoko maty mosary kosa izay sisa tavela aminao;

eny, hovonoina ho faty izay tavela aminao.

31Midradradradrà, ry vavahady!

Mitolokoa, ry tanàna!

Aoka ho ketraka ianao ry tanin’ny Filistina manontolo!

Fa misy setroka mitranga avy any avaratra

ary tsy misy miala amin’ny laharany akory ny miaramilany.

32Inona moa no havaly ny irak’io firenena io?

Izao: NY TOMPO efa nanorina an’i Ziona,

ary ao no hialofan’izay olony ory.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help