Isaia 51 - Malagasy Protestant Bible 2011

Famonjena tsy misy fetra

1Mihainoa Ahy

ianareo izay miezaka mitady fahamarinana,

dia izay mitady NY TOMPO!

Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo

sy ny aty lavaka izay nihadiana anareo.

2Eny, tsarovy i Abrahama rainareo

sy i Saraha izay niteraka anareo;

fa fony mbola izy irery dia nantsoiko

sy notahiko ary nohamaroiko.

3Fa NY TOMPO mampionona an’i Ziona;

eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy

ka manao ny tany efitra ao ho tahaka an’i Edena,

ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan’NY TOMPO.

Hafaliana sy haravoana no hita ao,

mbamin’ny fisaorana sy ny feo fiderana.

4Mihainoa Ahy, ry vahoakako!

Ary atongilano Amiko ny sofinareo ry oloko!

Fa hisy lalàna hivoaka avy Amiko;

ary ny fitsipiko dia hampitoeriko

ho fanazavana ny firenena.

5Akaiky ny fahamarinako,

efa hiseho ny famonjeko,

ary ny sandriko no hitsara ny firenena;

Izaho no antenain’ny nosy,

ary ny sandriko no andrasany.

6Andrandrao ho amin’ny lanitra ny masonareo

ary jereo ny tany ambany.

Fa ho levona tahaka ny setroka ny lanitra

ary ho tahaka ny lamba mangarahara ny tany;

ho faty tahaka ny fahafatesan’ny moka ny mponina ao,

fa ny famonjeko kosa dia haharitra mandrakizay

ary ny fahamarinako dia tsy mba ho rava.

7Mihainoa Ahy ianareo izay mahalala ny fahamarinana,

dia ianao ry firenena izay manana ny lalànako ao am-ponao!

Aza matahotra ny latsa ataon’ny zanak’olombelona

na manahy noho ny fanaratsiana ataony.

8Fa hihinana azy tahaka ny fihinany ny lamba ny kalalao

ary ny lolo fotsy dia hihinana azy tahaka ny fihinany ny volon’ondry;

fa haharitra mandrakizay ny fahamarinako

ary ny famonjeko dia hihatra amin’ny taranaka fara aman-dimby.

Mifohaza ianao, ry sandrin’NY TOMPO!

9Mifohaza, mifohaza!

Ry sandrin’NY TOMPO,

ka mitafia hery!

Mifohaza tahaka ny tamin’ny andro fahiny,

dia tamin’ny taranaka taloha ela!

Tsy Ianao va Ilay nitetitetika an’i Rahaba

sy nitomboka ny dragona?

10Tsy Ianao va Ilay nahamaina ny ranomasina,

dia ny rano ao amin’ny lalina lehibe

ka nanao ny ranomasina lalina

ho lalana halehan’ny olona navotana?

11Eny, hiverina ny navotan’NY TOMPO

ka hankany Ziona amin’ny fihobiana,

fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany;

hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy

ka handositra ny alahelo sy ny fisentoana.

12Izaho dia Izaho no mampionona anareo.

Koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak’olombelona mety maty

sy ny zanak’olona izay tahaka ny ahitra ny hanjo azy?

13Hadinonao angaha NY TOMPO, mpanao anao,

izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany!

Matahotra lalandava ianao mandritra ny andro

noho ny fahatezeran’ny mpampahory

rehefa mikendry hamono izy.

Fa aiza intsony izay fahatezeran’ny mpampahory?

14Tsy ho ela dia ho afaka izay mitanondrika;

tsy ho faty havarina ao an-davaka izy

ary tsy ho diso hanina.

15Fa Izaho TOMPO no Andriamanitrao,

izay mampanonja ny ranomasina sy mampirohondrohona ny onjany;

Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao no anarako.

16Nataoko eo am-bavanao ny teniko,

ary ao amin’ny aloky ny tanako no nanaronako anao,

Hamelatra ny lanitra sy hanorina ny tany Aho,

ary hiteny amin’i Ziona hoe: Oloko ianao!

Hanangana indray an’i Jerosalema NY TOMPO

17Mifohaza, mifohaza ianao!

Mitsangàna, ry Jerosalema ô,

ianao izay efa nisotro ny kapoaky ny fahatezerana

avy tamin’ny tanan’NY TOMPO;

eny, efa nisotro tamin’ny kapoaka mampiraikiraiky ianao

ka notrohinao mbamin’ny faikany!

18Tsy misy mitondra azy

ny zanany lahy rehetra izay naterany;

ary tsy misy mitantana azy

ny zanany lahy rehetra izay notezainy.

19Izao zavatra roa izao no manjo anao:

Iza no hampitony ny alahelonao?

Fandravana sy fandringanana

ary mosary sy sabatra.

Koa hataoko ahoana no fampionona anao?

20Reraka ny zanakao lahy

ka midabodaboka eny an-joron-dalambe rehetra eny,

tahaka ny diera ao anatin’ny fandrika harato;

eny, tahaka ny olona rakotry ny fahatezeran’NY TOMPO

sy ny teny mafy ataon’Andriamanitrao.

21Koa mihainoa izao, ianao ry ilay ory

sady mamo, nefa tsy tamin-divay!

22Izao no lazain’NY TOMPO, ny Tomponao?

dia Andriamanitrao izay mandaha-teny hiaro ny olony:

Indro, esoriko eny an-tananao

ny kapoaka mampiraikiraiky,

dia ny kapoaky ny fahatezerako;

tsy hisotroanao intsony iny!

23Hataoko eo an-tanan’izay mampahory anao kosa izany,

dia ireo izay nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay!

Dia nataonao tahaka ny tany ny lamosinao;

eny, tahaka ny lalambe ho an’izay mandeha eo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help