1Ny adala no manao anakampo hoe: Tsy misy Andriamanitra.
Manao izay ratsy sy vetaveta izy;
tsy misy manao ny tsara.
2Avy eny an-danitra Andriamanitra no miondrika mijery ny zanak’olombelona
mba hizaha raha misy hendry mitady an’Andriamanitra.
3Samy efa nivily lalana izy rehetra ka tonga nanao zava-betaveta avokoa;
tsy misy manao ny tsara na dia iray akory aza.
4Tsy mahalala va ny mpanao ratsy?
Mihinana ny oloko toy ny fihinanana mofo
no sady tsy miantso an’Andriamanitra izy.
5Indreo, tonga feno tahotra ireny nefa tsy nisy tokony hatahorany;
fa Andriamanitra hanely ny taolan’izay nitoby hamely anao;
hampahamenatra azy ianao satria Andriamanitra efa nanary azy.
6Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Israely!
Rehefa ampodin’Andriamanitra avy amin’ny fahababoana ny olony
dia hiravoravo i Jakoba ary hifaly Israely.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.