Isaia 47 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny haharavan’i Babilona

1Midìna ka mipetraha amin’ny vovoka ry Babilona, zanakavavy virijiny!

Mipetraha eo amin’ny tany, nefa tsy amin’ny sezafiandrianana,

ry zanakavavin’i Kaldea!

Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony ianao.

2Alaivo ny vato fikosoham-bary ka kosohy ny koba;

esory ny fisalobonanao,

akaro ny morontongotr’akanjonao;

aoka hiseho ny fenao

ka miroboha mita ny ony!

3Hiseho ny fitanjahanao;

eny, ho hita ny fahamenaranao.

Hitondra famaliana Aho

ka tsy hisy olona hahasakana Ahy.

4Ny anaran’ny Mpanavotra anay dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

Iray Masin’ny Israely.

5Mipetraha mangingina

ka midira ao amin’ny maizina,

ry zanakavavin’i Kaldea!

Fa tsy hatao hoe

Tompovavin’ny fanjakana intsony ianao.

6Tezitra tamin’ny oloko Aho,

navelako holotoina ny lovako

ka natolotro ho eo an-tananao izy;

tsy mba namindranao fo izy,

fa na ny antitra aza dia nasianao zioga tena mavesatra.

7Ary hoy ianao: Ho tompovavy mandrakizay aho!

Tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany ianao,

na nitsapa izay hiafarany.

8Koa mihainoa ankehitriny, ianao izay mihantahanta

sady mipetraka tsy manana ahiahy

ka miteny anakampo hoe:

Izaho no izy, ary tsy misy hafa!

Tsy mba hipetraka ho mpitondratena aho,

na hahita fahafoanan’anaka!

9Kanjo hanjo anao tampoka ireto zavatra roa ireto,

ao anatin’ny indray andro monja,

dia ny fahafoanan’anaka sy ny maha mpitondratena;

hotanterahina aminao avokoa izany

na dia maro aza ny sikidinao,

ary na dia be dia be aza ny odinao.

10Fa nitoky tamin’ny faharatsianao ianao

ka niteny hoe: Tsy misy mahita ahy!

Nampivily anao ny fahendrenao sy ny fahalalanao

ka niteny anakampo ianao hoe:

Izaho no izy, tsy misy afa-tsy izaho.

11Kanjo hanjo anao ny fahoriana

nefa tsy ho fantatrao izay fiposahany;

hahazo anao ny loza

nefa tsy ho hainao sakanana;

eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana

nefa tsy hampoizinao.

12Arosoy ary ny odinao

sy ny hamaroan’ny sikidinao,

izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely!

Angamba hahazo soa ianao;

angamba ho tonga mahatahotra ianao!

13Sasatra noho ny hamaroan’ny hevitrao ianao;

ankehitriny, aoka hitsangana ka hamonjy anao

ireo mpamantatra ny lanitra

sy mpandinika ny kintana ireo,

dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana

izay zavatra ho tonga aminao.

14Indro fa ho tahaka ny mololo ireo:

Ho main’ny afo izy

ka tsy hahavonjy ny tenany amin’ny herin’ny lelafo;

tsy misy vainafo hamindroana akory;

eny, fa na afo hitaninana aza.

15Ho toy izany no hanjo

ireo efa nisasaranao ireo,

dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely;

samy hipariaka mandositra ho any amin’ny fonenany avy izy

ka tsy hisy hahavonjy anao!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help