Ohabolana 24 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny hendry sy ny ratsy fanahy

1Aza mialona ny olona ratsy fanahy,

na maniry ho namany,

2fa fandravana no saintsainin’ny fony,

ary fampahoriana no tenenin’ny molony.

3Fahendrena no anaovana trano,

ary halalinan-tsaina no mampaharitra azy.

4Fahalalana no hamenoana ny efitrano

amin’izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.

5Feno hery ny lehilahy hendry;

eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana.

6Fa ny fahaizana mandinika tsara no entonao miady;

ary raha maro ny mpanolotsaina dia misy famonjena.

7Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena;

tsy mahaloa-bava eo amin’ny vavahady izy.

8Izay misaintsaina hanao ratsy

dia antsoina hoe mpamoron-tsain-dratsy.

9Ota ny fikasan’ny hadalana

ary fahavetavetana eo imason’ny olona ny mpaniratsira.

10Raha azom-paharerahana ianao amin’ny andro fahoriana

dia kely izany ny herinao.

11Afaho izay entina hovonoina,

ary vonjeo izay mangozohozo efa eo am-pamonoana!

12Raha hoy ianao: Tsia, tsy mahalala izany izahay!

Moa Izay mandanja ny fo va tsy hihevitra izany?

Ary Izay mandinika ny fanahinao va tsy hahalala izany?

Eny, hovaliany araka ny asany avy ny olona rehetra.

13Anaka, homàna tantely fa tsara izany!

Homàna koa toho-tantely fa ho mamy amin’ny lanilaninao izany.

14Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho anao;

fa raha azonao izany dia tsara antoka ny ho avy

ka tsy ho foana ny fanantenanao.

15Aza manao vela-pandrika eo akaikin’ny tranon’ny marina ianao, ry ilay ratsy;

aza ravanao ny fonenany;

16fa potraka impito ny marina, nefa tafarina ihany,

fa ny ratsy fanahy kosa dia solafaka raha azom-pahoriana.

17Aza faly raha lavo ny fahavalonao,

ary aza ravoravo ny fonao raha tafintohina izy;

18fandrao hitan’NY TOMPO izany ka ho ratsy eo anatrehany,

ary esoriny aminy ny fahatezerany.

19Aoka tsy hirehitra noho ny amin’ny mpanao ratsy ny fahatezeranao,

ary aza mialona ny ratsy fanahy;

20Fa tsy hisy fanantenana ho an’ny ratsy;

eny, ho faty ny jiron’ny ratsy fanahy.

21Anaka, matahora NY TOMPO sy ny mpanjaka

ary aza mikambana amin’izay mpanovaova zavatra.

22Fa ho tampoka no hitrangan’izay hanjo ireny;

ary iza no mahalala izay loza hanjo azy roa tonta?

Torohevitra hafa koa avy amin’ny hendry

23Izao koa no tenin’ny hendry:

Tsy mety ny mizaha tavan’olona amin’ny fitsarana.

24Izay milaza amin’ny meloka hoe: Marina ianao,

dia hozonin’ny olona sady ho halan’ny firenena;

25fa izay mitsara marina kosa no hahita soa

sy hahazo fitahiana tsara.

26Izay manome valinteny tsara

dia manoroka ny molotra.

27Amboary ny asanao any ivelany

ary ataovy lavorary ny any an-tsaha,

koa rehefa vita izany dia mahazo manangana ny tranonao ianao.

28Aza manao fiampangana tsy marim-pototra amin’ny namanao;

moa hamitaka amin’ny molotrao va ianao?

29Aza miteny hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa,

hovaliako araka izay nataony ny olona.

Ny manjo ny kamo

30Nandalo ny sahan’ny kamo

sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho;

31koa indro, feno songosongo izy

sady voasaron’ny tsilo,

ary nirodana ny fefy vatony.

32Dia nojereko ka noheveriko tsara;

eny, hitako ka nahazoako anatra.

33Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany,

mbola hanohon-tanana kely hatory;

34dia ho tonga toy ny mpirenireny hamely ny fahantranao

ary ny fahasahirananao ho toy ny jiolahy mirongo fiadiana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help