Joba 3 - Malagasy Protestant Bible 2011

NY RESAKA IFAMALIAN’I JOBA SY IREO NAMANYManenina ny nahaterahany i Joba

1Rehefa afaka izany dia niloa-bava i Joba nanozona ny androny.

2Hoy izy:

3Ho foana anie ny andro nahaterahako

sy ny alina izay niteny hoe: Misy zazalahy vao torontoronina!

4Aoka izany andro izany ho maizina;

aoka tsy hikaroka azy avy any ambony Andriamanitra;

aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy!

5Aoka hitaky azy indray ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana;

aoka hitatao eo amboniny ny rahona;

aoka hampihoron-koditra azy ny fahamaizin’ny andro!

6Aoka ny haizim-pito hisambotra izany alina izany!

Aoka tsy hiara-mifaly amin’ny andron’ny taona izy

ary tsy ho anatin’ny fanisana ny volana!

7Eny, aoka ho momba izany alina izany;

aoka tsy ho velona ao ny hoby!

8Aoka hanozona azy ny mpanozona andro

izay mahay mamoha ny dragona!

9Aoka ho maizina ny kintan’ny marainany!

Aoka hiandry ny mazava izy nefa tsy hisy!

Ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason’ny maraina izy!

10Satria tsy nanidy ny varavaran’ny kibon’Ineny izy

ka tsy nanafina fahoriana tamin’ny masoko.

11Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e

ary tsy niala aina raha vao nivoaka avy tany an-kibo?

12Nahoana no nisy lohalika niandry ahy?

Ary nahoana no nisy nono hinonoako?

13Fa raha tsy izany dia efa nandry tamim-piadanana aho;

eny, natory aho ka afa-tsasatra

14niaraka tamin’ny mpanjaka sy ny mpanolotsainan’ny tany

izay nanao ireny tanàna efa rava ireny,

15na niaraka tamin’ny andriandahy izay manana volamena

sady mameno volafotsy ny tranony;

16na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina,

dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory.

17Any no itsaharan’ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby intsony

ary any ny reraka no afa-tsasatra;

18miadana avokoa ny mpifatotra,

tsy mandre ny feon’ny mpampijaly izy;

19samy any ny kely sy ny lehibe

ary afaka amin’ny tompony ny mpanompo.

20Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka

ary fiainana ho an’izay latsaka amin’izay feno alahelo,

21izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy,

sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina;

22izay faly indrindra sady ravoravo

raha mahita ny fasana,

23dia olona izay mandeha ao amin’ny maizina

sady voafefin’Andriamanitra manodidina?

24Fa mialoha ny hanin-kohaniko ny fitolokoko

ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako;

25fa izay atahorako no mahazo ahy

ary izay angovitako no manjo ahy.

26Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fiatoana akory aza aho

dia tonga indray ny tebiteby.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help