Salamo 105 - Malagasy Protestant Bible 2011

Tantaran’ny famindrampon’Andriamanitra 1Tan 16.8-22

1Miderà NY TOMPO, miantsoa ny anarany;

ampahafantaro any amin’ny firenena ny asany.

2Mihirà ho Azy, mankalazà Azy!

Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.

3Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina!

Aoka hifaly ny fon’izay mitady NY TOMPO.

4Mitadiava NY TOMPO sy ny heriny;

katsaho mandrakariva ny tavany.

5Tsarovy ny asa mahagaga nataony,

dia ny fahagagana nataony sy ny fitsaran’ny vavany,

6ry taranak’i Abrahama mpanompony,

dia ianareo olom-boafidiny, taranak’i Jakoba.

7NY TOMPO, Izy no Andriamanitsika;

manerana ny tany rehetra ny fitsarany.

8Mahatsiaro mandrakariva ny fanekeny Izy,

dia ilay teny izay voadidiny ho an’ny taranaka arivo mandimby;

9eny, ilay nataony tamin’i Abrahama

sy ny fianianany tamin’Isaka;

10izay naoriny ho lalàna ho an’i Jakoba

sy ho fanekena mandrakizay ho an’Israely

11ka nilazany hoe: Homeko anao ny tany Kanana

ho anjara lovanareo voazara tsara.

12Mbola olom-bitsy izy ireo tamin’izany;

eny, vitsy sady vahiny tao;

13nifindrafindra firenena izy ireo

ary nifindrafindra fanjakana tany amin’ny firenen-kafa.

14Tsy nisy navelany hampahory azy anefa,

fa nananatra mpanjaka noho ny amin’ireo Izy hoe:

15Aza mikasika ireo Voahosotro

ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.

16Dia niantso ny mosary ho amin’ny tany Izy;

nofoanany avokoa ny hanina rehetra izay tohan’aina;

17naniraka lehilahy iray hialoha azy Izy,

dia i Josefa izay namidy ho andevo.

18Nampijalina tamin’ny fatorana ny tongony;

nogadraina vy izy,

19mandra-pahatongan’ny fotoana nahatanterahan’ny teniny;

nizaha toetra azy ny tenin’NY TOMPO.

20Nandefa iraka hamaha azy ny mpanjaka,

dia tamin’ny mpanapaka ny vahoaka izay nampandefa azy.

21Nametraka azy ho tompon’ny tranony izy

ary ho mpanapaka ny fananany rehetra

22mba hamatotra ny mpitondra araka ny sitrapony

sy hampianatra fahendrena ny loholony.

23Ary nankany Ejipta Israely;

eny, nivahiny tany amin’ny tanin’i Hama i Jakoba.

24Dia nahamaro ny taranaky ny olony ho be indrindra Izy

ka nampahery azy noho ny fahavalony.

25Nampiova ny fon’ireny hankahala ny olony

sy hamitaka ny mpanompony Izy.

26Naniraka an’i Mosesy mpanompony

sy i Arona izay nofidiny Izy.

27Ary izy ireo dia nanao ny famantarany teo aminy

sy fahagagana tany amin’ny tanin’i Hama.

28Nandefa ny haizina Izy dia tonga ny haizina;

ary tsy nisy nanohitra ny teniny izy ireo.

29Nahatonga ny rano teo aminy ho ra Izy

ka nahafaty ny hazandranony.

30Nisy sahona betsaka ny taniny;

eny, na dia hatrao an’efitranon’ny mpanjakany aza.

31Niteny Izy dia tonga ny fihitra

sy ny moka teny amin’ny faritaniny rehetra.

32Nahatonga havandra ho solon’ny ranonorana Izy

ary afo midedadeda teny amin’ny taniny.

33Namely ny voalobony sy ny aviaviny Izy

ka nanapatapaka ny hazo teo amin’ny taniny.

34Niteny Izy dia tonga ny valala

sy ny sompanga tsy hita isa;

35dia nihinana ny zava-maitso rehetra teny amin’ny taniny ireny

ka nandany ny vokatry ny taniny.

36Namely ny lahimatoa rehetra tany amin’ny taniny Izy,

dia ny voalohan-terany rehetra.

37Dia nitondra ny olony nivoaka avy tany Izy, niaraka tamin’ny volafotsy sy volamena;

tsy nisy nangozohozo na dia iray akory aza tamin’ireo fokony.

38Faly i Ejipta tamin’ny nahalasanany,

satria efa nahazo azy ny fahatahorana ireo.

39Namelatra rahona ho fialokalofana Izy

ary afo ho fanazavana nony alina.

40Nangataka izy ireo dia nahatonga papelika Izy

ary mofon-danitra no namokisany azy.

41Nanokatra ny vatolampy Izy dia nigororoana ny rano

ka tonga renirano nandriaka tamin’ny tany maina.

42Fa nahatsiaro ny teniny masina

sy i Abrahama mpanompony Izy.

43Nitondra ny olony nivoaka avy tany tamin’ny fifaliana Izy

ary ny voafidiny tamin’ny fihobiana.

44Nanome azy ny tanin’ny Jentilisa Izy

ary nandova ny nisahiranan’ny firenena maro ireny

45mba hitandremany ny didiny

sy hankatoavany ny lalànany.

Haleloia.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help