Genesisy 33 - Malagasy Protestant Bible 2011

Mihaona i Jakoba sy i Esao

1Ary nanopy ny masony i Jakoba ka nahatazana fa indro tamy i Esao, mitondra efajato lahy. Dia notsinjarainy ny zaza ho amin’i Lea sy Rahely ary ho amin’ny mpanompovavy roa.

2Nataony lohalalana ny mpanompovavy roa sy ny zanany, ary i Lea sy ny zanany no nanarakaraka, ary Rahely sy i Josefa no vodilalana.

3Ary nandeha teo alohan’izy rehetra i Jakoba ka niankohoka impito tamin’ny tany mandra-pahatongany teo akaikin’ny rahalahiny.

4Dia nihazakazaka nitsena azy i Esao ary nisakambina ny vozony, dia namihina sy nanoroka azy, ary samy nitomany izy mirahalahy.

5Rehefa nanopy ny masony i Esao ka nahita ny zaza amam-behivavy dia niteny hoe: Iza moa ireto miaraka aminao ireto? Ary hoy kosa i Jakoba: Ny zaza izay nomen’Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany.

6Dia nanatona ny mpanompovavy sy ny zanany ka niankohoka.

7Nanatona koa i Lea sy ny zanany ka niankohoka; ary farany, nanatona i Josefa sy Rahely ka niankohoka.

8Ary hoy i Esao: Inona moa no hevitr’ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Dia hoy izy: Mba hahitako fitia eto imason’ny tompokolahy.

9Dia hoy i Esao: Manam-be ihany aho, ry rahalahiko! Aoka ihany ho anao ny anao.

10Hoy i Jakoba: Trara antitra ianao, aza miteny an’izany! Raha mba mahita fitia eto imasonao aho dia raiso avy amiko ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao tahaka ny mahita ny tavan’Andriamanitra aho sady efa nahita sitraka taminao.

11Trara antitra ianao, raiso re ny saotra avy amiko izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra ka manana ny zavatra rehetra aho. Dia nanery azy i Jakoba ka nandray ihany i Esao.

12Ary hoy i Esao: Aoka hiainga isika ka handeha eo anilanao aho.

13Hoy anefa i Jakoba taminy: Fantatrao, tompokolahy, fa mbola osa ny zaza sady mbola mampinono ny ondry aman’osy sy ny omby ato amiko; koa raha hoterena handeha mandritra ny indray andro ihany izy ireo dia ho faty avokoa ny ondry aman’osy rehetra.

14Trara antitra ianao, aoka Itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho kosa dia handeha miadana, araka izay dian’ny omby aman’ondry izay ho eo alohako sy ny dian’ny zaza, mandra-pahatongako any amin’ny tompokolahy any Seìra.

15Dia hoy i Esao: Miangavy anao aho, aoka ary mba hisy havelako hiaraka aminao ny olona izay miaraka amiko. Hoy anefa i Jakoba: Inona no anton’izany? Aoka hahita fitia eto imason’Itompokolahy aho.

16Dia niverina androtr’izay ihany tamin’ny lalany ho any Seìra i Esao.

Nitoby teo akaikin’i Sekema i Jakoba

17Ary nifindra nankany Sokota i Jakoba ka nanorina trano ho an’ny tenany ary trano rantsan-kazo maromaro ho an’ny omby aman’ondriny. Izany no niantsoana ny anaran’io toerana io hoe Sokota.

18Tonga soa amantsara tao an-tanànan’i Sekema, izay eo amin’ny tany Kanana, i Jakoba, rehefa avy tany Padana-Arama. Dia nitoby tandrifin’ny tanàna izy.

19Dia novidiny kesita zato tamin’ny zanak’i Hamora, rain’i Sekema, ny tany izay nanorenany ny tranolainy.

20Ary nanorina alitara teo izy ka nataony hoe El-Elohe-Israely ny anarany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help