Ohabolana 6 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny fiantohana natao tsy amim-piheverana

1Anaka, raha niantoka ny namanao ianao,

ary nandray tanana hiantoka vahiny,

2ka voafandriky ny teny nataonao,

ary voasingotry ny teny noteneninao,

3dia izao no ataovy anaka mba hanafaka ny tenanao

satria tonga eo am-pelatanan’ny namanao ianao:

Mandehana miankohoka sy mifona mafy amin’ny namanao;

4aza avela hahita tory ny masonao

ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao;

5afaho ny tenanao toy ny gazela miala amin’ny tanan’ny mpihaza,

ary toy ny voronkely miala amin’ny tanan’ny mpamandrika.

Ny malaina sy ny vitsika

6Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay malaina;

diniho ny fanaony ka mba hendre.

7Tsy manana komandy,

na mpanara-maso, na mpanapaka izy,

8nefa mamory ny haniny amin’ny fahavaratra,

ary manangona ny fihinany amin’ny fararano.

9Mandra-pahoviana no mbola handry ihany ianao, ry ilay malaina?

Rahoviana no hifoha amin’ny torimasonao ianao?

10Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany

ary mbola hanohon-tanana kely hatory.

11Dia ho tonga toy ny mpirenireny hamely anao ny fahantranao,

ary ny fahasahirananao dia ho toy ny jiolahy mirongo fiadiana.

Ny lehilahy mpamitaka

12Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy,

dia ilay mandehandeha manao teny misy fitaka

13izay mipy maso sy manao famantarana amin’ny tongony,

ary manao baiko amin’ny rantsantanany;

14hafetsen-dratsy no ao am-pony,

mihevi-dratsy mandrakariva izy sady mamafy adilahy.

15Noho izany dia ho avy tampoka ny loza hanjo azy;

indray mipy maso no haha torotoro azy ka tsy hisy fanafana.

Ny zavatra halan’NY TOMPO

16Zavatra enina no halan’NY TOMPO,

eny, fito no fahavetavetana eo anatrehany:

17Ny fijery mianjonanjona, ny lela fandainga,

ny tanana mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny,

18ny fo mamorona sain-dratsy,

ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,

19ny vavolombelona mandainga izay milaza lainga

ary ny mamafy ady eo amin’ny mpirahalahy.

Fampitandremana ny amin’ny fijangajangana

20Anaka, tandremo ny didin’ny rainao

ary aza mahafoy ny fampianaran’ny reninao.

21Afatory amin’ny fonao mandrakariva ireo

ary afehezo eo am-bozonao.

22Raha mandeha ianao dia hitari-dalana anao ireo,

raha mandry ianao dia hiambina anao izy,

raha mifoha ianao dia hamelona eritreritra anao izy.

23Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny fampianarana,

ary lalan’ny fiainana ny anatra ataon’ny fitaizana,

24hiarovana anao amin’ny vehivavy ratsy fanahy

sy amin’ny fandrobohan’ny lelan’ny vehivavy janga.

25Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny

ary aoka tsy hahazo anao amin’ny hodimasony izy.

26Fa sombi-mofo iray ihany dia ahazoana vehivavy janga iray,

nefa ny vehivavy manambady kosa dia mamandrika aina sarobidy.

27Mahatondra afo ao amin’ny paosin’akanjony va ny olona

ka tsy ho may ny akanjony?

28Misy mahadia vainafo va

ka tsy ho may ny tongony?

29Dia toy izany izay mankany amin’ny vadin’ny namany;

tsy ho afa-tsiny izay mikasika azy.

30Tsy manome tsiny ny mpangalatra ny olona

raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy satria noana;

31fa raha tratra kosa izy dia hampanonerina avo fito heny

ka hanome ny fananany rehetra izay ao an-tranony.

32Izay mijangajanga amin’ny vehivavy dia tsy ampy saina;

izay ta hanimba tena no manao izany.

33Voadaroka sady afa-baraka izy

ary tsy ho voafafa ny tondro molotra manjo azy.

34Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran’ny lehilahy,

koa tsy hamindra fo izy amin’ny andro hamaliany;

35tsy handray vola ho fanakona-maso akory izy;

tsy hanaiky izy, na dia atao maro aza ny fanomezana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help