1Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe: Mitenena amin’ireo mpisorona, zanak’i Arona hoe: Aoka ny mpisorona tsy handoto ny tenany amin’izay maty amin’ny mpiray firenena aminy,
2afa-tsy amin’ny havany akaiky, dia ny reniny, ny rainy, ny zanany lahy, ny zanany vavy ary ny rahalahiny;
3ary amin’ny fatin’ny anabaviny mbola virijiny izay havany akaiky satria mbola tsy manambady, no ahazoany mandoto ny tenany.
4Tsy hiditra am-paty handoto ny tenany izy satria lehibe eo amin’ny fireneny.
5Tsy hanasola ny tampon-dohany izy na hanaratra ny volombavany na hitetika ny tenany.
6Ho masina ho an’Andriamaniny izy ireo ka tsy hanamavo ny anaran’Andriamaniny; fa mpanolotra ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izy, dia ny hanin’Andriamaniny, ka ho masina izy.
7Aoka izy tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga na izay voaloto, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran’ny lahy; fa masina ho an’Andriamaniny ny mpisorona.
8Dia hamasino izy fa ny hanin’Andriamanitrao no ateriny; ho masina aminao izy fa Izaho TOMPO dia masina ka manamasina anareo.
9Raha ny zanakavavin’ny mpisorona no mandoto ny tenany amin’ny fijangajangana dia efa manamavo ny rainy izy ka hodorana amin’ny afo.
Fitsipika momba ny Mpisoronabe10Ary ny Mpisoronabe izay nalaina tamin’ny rahalahiny ka nandrarahana ny diloilo fanosorana ny lohany sady natokana mba hitafy ny fitafiana, dia aoka tsy hirakaraka volo na handriatra ny fitafiany.
11Ary aoka tsy hiditra am-paty akory izy ka handoto ny tenany na dia amin’ny ray aman-dreniny aza.
12Aoka tsy hiala avy tao amin’ny fitoerana masina izy na handoto ny toerana masin’Andriamaniny satria ny diloilo nanosoran’Andriamaniny azy no eo an-dohany: Izaho no TOMPO.
13Aoka ho vehivavy mbola virijiny no hampakariny.
14Fa ny maty vady na ny efa nisaorana na ny voaloto tamin’ny fijangajangana dia tsy azony ampakarina; fa virijiny avy amin’ny fireneny ihany no hampakariny.
15Aoka tsy hanao izay hampaloto ny taranany eo amin’ny fireneny izy fa Izaho TOMPO no nanamasina azy.
Ny amin’ny manan-kilema16Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
17Mitenena amin’i Arona hoe: Izay rehetra misy kilema amin’ny zanakao, hatramin’ny taranany fara aman-dimby, dia aoka tsy hanatona hanatitra ny hanin’Andriamaniny;
18fa izay rehetra misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanatanteraka izany na ny jamba na ny mandringa na ny loaka orona na ny sampona amin’ny rantsam-batana
19na ny tapa-tongotra na ny tapa-tanana
20na ny vokoka na ny saozanina na ny misy pentimpentina eo amin’ny masony na ny feno hatina na ny feno tsingaoka na ny manana aretin-dahy.
21Ny olona rehetra amin’ny zanak’i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manatona hanolotra ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO; misy kilema izy ka tsy mahazo manatona mba hanatitra ny hanin’Andriamaniny.
22Ny hanin’Andriamaniny kosa, izay avy amin’ny zavatra masina indrindra sy ny zavatra masina, dia azony hanina ihany;
23kanefa tsy mahazo mankeo amin’ny efitra lamba na manakaiky ny alitara izy, satria misy kilema, mba tsy handoto ny fitoerako masina fa Izaho TOMPO no manamasina ireo.
24Dia nilaza izany tamin’i Arona sy ireo zanany ary ny Zanak’Israely rehetra i Mosesy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.