Salamo 27 - Malagasy Protestant Bible 2011

Tsara antoka ny ao amin’ny tranon’NY TOMPONataon’i Davida.

1NY TOMPO no fahazavako sy famonjena ahy;

iza no hatahorako?

NY TOMPO no fiarovana mafy ho an’ny aiko;

iza no hangovitako?

2Raha manatona ahy mba hihinana ny nofoko

ny ratsy fanahy

izay fahavaloko sy rafiko

dia izy tenany ihany no tafintohina ka lavo.

3Na dia misy tafika mitoby hiady amiko aza

dia tsy hatahotra ny foko;

na dia misy ady mihatra amiko aza

dia hatoky ihany aho.

4Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’NY TOMPO, izany no hotadiaviko:

Ny hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO amin’ny andro rehetra hiainako

mba hijery ny hatsaran’NY TOMPO

sy handinika ny tempoliny.

5Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany Izy amin’ny andro fahoriana;

hampiery ahy ao amin’ny fierena ao an-dainy Izy;

hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.

6Koa ankehitriny dia hisandratra ho ambonin’ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako

ka hanolotra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho;

hihira sy hankalaza NY TOMPO aho.

7Mihainoa, TOMPO ô, fa mitaraina mafy aho;

mamindrà fo amiko ka valio aho!

8Raha hoy Ianao: Tadiavonareo ny tavako!

Dia hoy ny navalin’ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, TOMPO ô!

9Aza manafina ny tavanao amiko,

aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana!

Ianao no famonjena ahy,

aza manary na mahafoy ahy,

ry Andriamanitry ny famonjena ahy!

10Efa nahafoy ahy ny ray aman-dreniko

nefa mandray ahy kosa NY TOMPO.

11Ampianaro ny lalanao aho, TOMPO ô;

tariho amin’ny lalana tokony halehako aho

noho ny fahavaloko.

12Aza manolotra ahy ho amin’ny sitrapon’ny mpampahory ahy

fa mitsangana hiampanga ahy ny vavolombelona mandainga

izay mifofo loza.

13Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan’NY TOMPO

amin’ny tanin’ny velona!

14Manantenà NY TOMPO ianao!

Matokia, ary aoka hahery ny fonao!

Eny, manantenà NY TOMPO ianao!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help