1NY TOMPO no Mpiandry ahy: Tsy misy zava-mahory ahy.
2Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy,
mitondra ahy ho eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy.
3Mamelombelona ny fanahiko Izy;
mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana
noho ny anarany Izy.
4Eny, na dia mandeha mamakivaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho
dia tsy hatahotra ny loza satria Ianao no miaraka amiko;
ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.
5Mamelatra latabatra eo anoloako
eo imason’ny fahavaloko Ianao;
manosotra diloilo ny lohako Ianao;
ny kapoakako dia feno dia feno.
6Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako,
dia hitoetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO aho
amin’ny androko rehetra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.