Salamo 90 - Malagasy Protestant Bible 2011

BOKY FAHEFATRANy olona dia mandalo fa Andriamanitra no maharitraVavaka nataon’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra.

1Tompo ô, efa fonenanay hatramin’ny taranaka rehetra Ianao.

2Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra,

na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao,

dia Andriamanitra Ianao, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.

3Mamerina ny olona ho amin’ny vovoka Ianao

ka miteny hoe: Miverena, ry zanak’olombelona!

4Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon’ny omaly

ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin’ny alina.

5Mipaoka azy tahaka ny riaka Ianao; torimaso izy;

amin’ny maraina dia tahaka ny ahitra mora miova izy;

6amin’ny maraina dia mamony izy nefa mora miova;

amin’ny hariva dia voajinja izy ka maina.

7Lanin’ny fahatezeranao izahay

ary raiki-tahotra noho ny fahaviniranao.

8Ny helokay dia nataonao teo anatrehanao

ary ny fahotanay miafina dia nataonao teo amin’ny fahazavan’ny tavanao.

9Fa ny andronay rehetra dia mandalo noho ny fahatezeranao;

laninay toy ny eritreritra ny taonanay.

10Fitopolo taona ny halavan’ny andronay

ary raha toa ka mateza aza dia valopolo taona,

nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny

fa mihelina haingana izany ka lasa manidina izahay.

11Iza no mahafantatra ny herin’ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao

araka izay tokony ho fahatahorana Anao?

12Mampianara anay hanisa ny andronay,

hahazoanay fo hendry.

13Miverena, TOMPO ô! Mandra-pahoviana?

Mba aneneno ny aminay mpanomponao!

14Vokiso ny famindramponao nony maraina izahay

mba hihobianay sy hifalianay amin’ny andro rehetra hiainanay.

15Mampifalia anay araka ny andro nampahorianao anay

sy ny taona nahitanay loza.

16Aoka hiseho aminay mpanomponao ny asanao

ary ny voninahitrao amin’ny zanakay.

17Aoka ho aminay ny fahasoavan’ny Tompo Andriamanitray!

Ampitoero aminay ny asan’ny tananay;

Eny, ny asan’ny tananay, ampitoero izy!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help