1Tantara 10 - Malagasy Protestant Bible 2011

TANTARAN’I DAVIDA, MPANJAKAN’NY ISRAELYAdy tao Gilboa; ny nahafatesan’i Saoly 1Sam 31.1-13

1Niady tamin’ny Israely ny Filistina. Ary nandositra teo anoloan’ny Filistina ny lehilahy amin’ny Israely ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.

2Nanenjika fatratra an’i Saoly sy ny zanany ny Filistina ka matin’ny Filistina i Jonatana sy i Abinadaba ary i Malky-Soa, zanakalahin’i Saoly.

3Mafy tamin’i Saoly ny ady; nifanehatra tamin’ny mpandefa tsipìka izy ary raiki-tahotra izy noho ny mpandefa tsipìka.

4Dia hoy i Saoly tamin’ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao ka atsatohy miboroaka amiko; fandrao avy irerỳ tsy mifora irerỳ ka hanao ahy ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadiany fa natahotra loatra. Dia nalain’i Saoly ny sabatra ka nianjerany.

5Rehefa hitan’ny mpitondra ny fiadiana fa maty i Saoly dia mba nianjera tamin’ny sabany koa izy ka maty.

6Dia niara-maty i Saoly sy ny zanany telo lahy ary ny ankohonany rehetra.

7Nony hitan’ny lehilahy rehetra amin’ny Israely teny amin’ny lohasaha fa nandositra ny olona, ary maty i Saoly sy ny zanany, dia nandao ny tanànany avy izy ireo ka nandositra; ary tonga ny Filistina ka nonina tao.

8Nony ampitso, raha tonga hanendaka ny zavatra teny amin’ny faty ny Filistina, dia nahita an’i Saoly sy ny zanany lahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa.

9Dia nesoriny ny akanjony ka ny loha izay notapahiny sy ny fiadiany no noentiny tany amin’ny tanin’ny Filistina manodidina mba hanambaràna izany zavatra mahafaly izany tamin’ny sampiny sy ny olona.

10Dia napetrany tao amin’ny tranon’ny andriamaniny ny fiadian’i Saoly, ary nohomboany teo amin’ny tempolin’i Dagona ny lohany.

11Nony ren’ny mponina rehetra tao Jabesy-Gileada izay rehetra nataon’ny Filistina tamin’i Saoly

12dia niainga ny lehilahy mahery rehetra naka ny fatin’i Saoly sy ny fatin’ny zanany ka nitondra azy ho any Jabesy, ary nandevina ny taolambalony teo ambanin’ilay hazo terebinta tany Jabesy, avy eo dia nifady hanina hafitoana.

13Eny, maty i Saoly noho ny nivadihany tamin’NY TOMPO, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin’NY TOMPO sy noho ny nakany saina tamin’izay mpila hevitra amin’ny maty

14ary noho ny tsy nanontaniany tamin’NY TOMPO; dia novonoiny izy ary nafindrany ho an’i Davida, zanak’i Jese, ny fanjakana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help