Salamo 40 - Malagasy Protestant Bible 2011

Aoka ho fantatry ny olona izay nataonao tamikoHo an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida.

1Niandry fatratra NY TOMPO aho

dia niondrika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako.

2Nampiakatra ahy avy tao amin’ny lavaka fandringanana Izy;

eny, tamin’ny fotaka mandrevo;

nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy

ka nampijoro ahy.

3Nanisy hira vaovao teo am-bavako Izy,

dia fiderana an’Andriamanitsika;

maro no hahita sy hatahotra

ary hatoky NY TOMPO.

4Sambatra ny olona izay manana NY TOMPO ho tokiny

ka tsy mivily ho naman’ny mpiavonavona

na ny mpiampanga lainga!

5Nohamaroinao ny fahagagana sy ny hevitra izay nataonao ho anay,

TOMPO Andriamanitro ô,

tsy misy azo ampitahaina aminao;

raha tiako hambara sy holazaina ireny dia indro, maro loatra ka tsy tambo isaina.

6Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry dia tsy mba sitrakao.

Nanokatra ny sofiko Ianao;

ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra noho ny ota dia tsy mba nilainao.

7Dia hoy aho: Inty aho tonga;

ao amin’ny horonam-boky no nanoratana ahy.

8Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako

ary ny lalànanao no ato anatiko.

9Nanambara teny mahafaly ny amin’ny fahamarinana teo amin’ny fiangonan-dehibe aho;

indro, tsy mba nakomboko ny molotro;

TOMPO ô, Ianao no mahalala!

10Tsy mba nafeniko tato am-poko ny fahitsianao,

ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako;

tsy nanafina ny famindramponao sy ny fahamarinanao

tamin’ny fiangonan-dehibe aho.

11Ianao, TOMPO ô, aza manakana ny antranao tsy ho amiko;

aoka ny famindramponao sy ny fahamarinanao no hiaro ahy mandrakariva.

12Nanodidina ahy ny loza tsy tambo isaina;

nahazo ahy ny heloko

ka tsy mahazaka mijery azy aho;

maro noho ny volon-dohako ireny

ka reraka ny foko.

13Aoka ho sitrakao, TOMPO ô, ny hanafaka ahy!

TOMPO ô, faingàna hamonjy ahy!

14Aoka ho indray hitsanga-menatra sy hangaihay

izay mitady hanaisotra ny aiko;

aoka hiamboho sy hitsanga-menatra

izay maniry ahy hidiran-doza!

15Aoka ho ankona noho ny fahamenarany

ireo izay milaza amiko hoe: Hia! Akory izay!

16Aoka ho faly sy ho ravoravo Aminao

izay rehetra mitady Anao!

Aoka izay rehetra tia ny famonjenao

hiteny mandrakariva hoe: Lehibe NY TOMPO!

17Na dia ory sy mahantra aza aho

dia ny Tompo no mihevitra ahy.

Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Ianao;

aza ela, Andriamanitro ô!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help