Salamo 38 - Malagasy Protestant Bible 2011

Vavaka ataon’ny marary izay miaiky ny fahotanySalamo nataon’i Davida. Ho fampahatsiarovana.

1TOMPO ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy

ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy!

2Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao

ary manindry ahy mafy ny tananao.

3Tsy misy fahasalamana ao amin’ny nofoko noho ny fahatezeranao;

tsy misy fiadanana ao amin’ny taolako noho ny fahotako.

4Fa mihoatra ny lohako ny heloko;

tahaka ny entana mavesatra izany ka tsy zakako.

5Maimbo sady mihalalina ny feriko

noho ny hadalako.

6Mitanondrika sy mijoretra izay tsy izy aho

ary toy ny misaona mandrakariva.

7Mamaivay avokoa ny voako

ka tsy misy izay salama ao amin’ny nofoko.

8Marikoditra aho sady torovana indrindra,

midradradradra aho sady mitoloko ny foko.

9Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra;

tsy mba miafina Aminao ny fisentoako.

10Miemponempona ny foko, nandao ahy ny heriko;

tsy ato amiko intsony na ny fahiratan’ny masoko aza.

11Manalavitra ny aretiko ny namako sy ny sakaizako

ary mijanona eny lavitra eny ny havako.

12Manao vela-pandrika ireo izay mitady ny aiko

ary miteny fampihorohoroana ireo izay mitady hanimba ahy

sady miteny fitaka mandrakariva.

13Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre

ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;

14eny, tahaka ny olona tsy mandre

sady tsy misy teny havaly eo am-bavany.

15Fa Ianao no antenaiko, TOMPO ô;

Ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitro ô.

16Fa hoy aho: Sao dia hifalian’izy ireo anie aho;

raha mibolasitra ny tongotro dia hirehareha amiko izy!

17Fa efa ho lavo aho

ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva.

18Fa ibabohako ny heloko;

matahotra aho noho ny fahotako.

19Fa velona ihany ny fahavaloko sady mahery,

maro no mankahala ahy tsy amin’antony;

20mamaly ratsy ny soa izy ireo

ka mandrafy ahy ho valin’ny fikatsahako ny tsara.

21Aza mahafoy ahy, RY TOMPO ô!

Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy!

22Faingàna hamonjy ahy,

ry Tompo, Mpamonjy ahy, ô!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help