Salamo 95 - Malagasy Protestant Bible 2011

Enga anie ka hohenoinareo ny feony!

1Avia, aoka isika hihoby ho an’NY TOMPO!

Aoka isika hanao feo fifaliana ho an’ny Vatolampy famonjena antsika!

2Aoka hankeo anatrehany amin’ny fiderana isika,

aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin’ny salamo isika.

3Fa Andriamanitra lehibe NY TOMPO;

Mpanjaka lehibe ambonin’ny andriamanitra rehetra Izy.

4Eo an-tanany ny fitoerana lalina amin’ny tany.

Azy ny tendrombohitra avo.

5Azy ny ranomasina fa Izy no nanao azy

ary ny tany maina dia novolavolain’ny tanany.

6Avia, aoka isika hiondrika sy hiankohoka,

aoka isika handohalika eo anatrehan’NY TOMPO, Mpanao antsika;

7Fa Izy no Andriamanitsika

ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika.

Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony hoe:

8Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba

sy tahaka ny tamin’ny andro tao Masa, fony tany an-tany efitra,

9izay nakan’ny razanareo fanahy Ahy

sy nizahany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako.

10Efapolo taona no nahamonamonaina Ahy tamin’izany taranaka izany

ka hoy Aho: Olona maniasia amin’ny fony izy

ka tsy mahalala ny lalako.

11Koa nianiana tamin’ny fahatezerako Aho hoe:

Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help