Jona INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011

INDRAY MIJERYNy Bokin’i Jona dia mitantara ny zavatra maro nihatra tamin’ity mpaminany ity izay nitady handositra ny iraka nanirahan’Andriamanitra azy, kanefa tsy afa-nanoatra. Ireo zavatra samihafa nanjo azy dia maneho amin’ny fomba tena manaitra ny fampianarana izay kendren’ny mpanoratra hatolotra ny mpamaky. Amin’izany ny Boky dia naman’ireo Soratra manolotra fahendrena.Ny votoatin’ny BokyAraka izany dia maromaro ny fotokevitra ampianarin’ny Boky:Ny fitiavan’Andriamanitra dia tsy voafetra ho amin’ny Israely ihany fa asehony amin’ny olona rehetra izay manaiky hanetry tena eo anatrehany. Izy dia vonona mandrakariva ny tsy hanatanteraka ny loza izay nokasainy raha mandray anatra ny olona ka mibebaka. Andriamanitra no Tompo tsy refesi-mandidy amin’ny voahariny. Manana fahefana amin’ny fiainana sy ny fahafatesana izy, koa noho izany ny mpaminany dia tsy tokony ho tezitra raha mamela heloka ny mpanota Izy.Ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny tantaran’i Jona dia entin’i Jesosy hanambarany ny fitsanganany amin’ny maty ary koa anehoany ny nibebahan’ny mponina tao Ninive mba handreseny lahatra ny mpihaino Azy (Mat 12.38-42).
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help