Mpitoriteny 1 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny maha zava-poana ny zavatra rehetra

1Ny tenin’i Mpitoriteny, zanak’i Davida, mpanjaka tany Jerosalema.

2Tena zava-poana, hoy i Mpitoriteny, tena zava-poana,

eny, zava-poana ny zavatra rehetra!

3Inona moa no soa azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra izay isasarany etỳ ambanin’ny masoandro?

4Lasa ny taranaka iray ary mandimby kosa ny taranaka hafa;

nefa ny tany dia mbola maharitra eo ihany.

5Miposaka ny masoandro ary milentika ny masoandro

sady miriotra ho any amin’ny toerana izay niposahany.

6Mianatsimo ny rivotra dia mihodina mianavaratra,

mivezivezy mandrakariva izy

ka miverimberina mihodidina foana.

7Ny renirano rehetra dia samy mankany amin’ny ranomasina nefa tsy mety feno ny ranomasina;

any amin’izay falehan’ny renirano ihany no iverenany indray.

8Manasatra ny zavatra rehetra ka tsy misy olona mahalaza izany intsony;

ny maso dia tsy afa-po mijery,

ary ny sofina dia tsy afa-po mihaino.

9Izay efa teo ihany no ho tonga indray

ary izay efa natao ihany no mbola haverina indray;

tsy misy zava-baovao etỳ ambanin’ny masoandro.

10Raha misy zavatra lazaina hoe: E! Ity no vaovao,

dia ilay efa teo ela tany amin’ny andro talohantsika ihany izany.

11Tsy tsaroana ny taloha

ary ny ho avy koa dia tsy ho tsaroan’ny taranaka manaraka.

Ny traikefan’ny hendry

12Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan’ny Israely tany Jerosalema.

13Tamin’ny foko manontolo no nitadiavako sy nikatsahako tamim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ny lanitra; asa mavesatra nomen’Andriamanitra hisasaran’ny zanak’olombelona izany.

14Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao etỳ ambanin’ny masoandro, fa indro, zava-poana sy sambo-drivotra avokoa izany rehetra izany.

15Ny meloka dia tsy mety ho tonga mahitsy

ary ny tsy ao dia tsy mba azo isaina.

16Hoy aho anakampo: Indro, nanangona fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; eny, nahita fahendrena sy fahalalana betsaka aho.

17Niasa saina aho mba hahalala ny fahendrena sy hamantatra ny fahadalana; dia fantatro fa sambo-drivotra foana koa izany

18satria izay be fahendrena dia be fahasahiranan-tsaina

ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fanaintainana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help